airtel

Politique

22-juin-2023

Politique

Kaominina manerana ny Nosy 1315 no efa nahazo ilay 30 tapitrisa Ar

Sample post image

Kaominina 1 315 amin’ny 1 695 manerana ny Nosy no efa nahazo ny fanampiana na « subvention » 30 tapitrisa Ar avy ho an’ny taona 2023, raha ny tatitry ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin.

22-juin-2023

Napetraka ho tanjona ny hanatratra ny fahazoan’ny kaominina rehetra ny anjarany mialohan’ny fetim-pirenena ny 26 jona raha ny nambaran’io minisitra io, nanoloana ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona ny talata teo. Nambara moa fa tafiditra ao anatin’ny ezaky ny governemanta hampiroborobo ny fitsinjaram-pahefana izao, ka notsiahiviny fa 15 tapitrisa Ar io vola io teo aloha, saingy nakarina 30 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ny fampiakarana, fa raha atao kosa ny kajy tsotsotra, 50,8 miliara Ar io raha ampitomboina amin’ny isan’ny kaominina 1695 manerana ny Nosy, izany hoe: ampahefatra na ampahadimin’ny tetibolan’ny Fiadidian’ny Repoblika manokana, mety ampahafolon’ny tetibolan’ny minisitera sasany, ampahafiton’ny 77 tapitrisa dolara na 350 miliara Ar teo nanavaozana ny kianjan’I Mahamasina,… no hanohanana ny kaominina manerana ny Nosy. Nambara ihany koa moa fa nakarina ho 420 tapitrisa Ar ny fanohanana ny faritra raha 210 teo aloha, 2 miliara isaky ny faritra ny tetibola ho an’ireo faritra 23,… Ny olana, tsy mitovy ny velaran’ireo faritra sy ny filany, misy faritra toa an’Atsimo Andrefana misy distrika miisa 9 be izao, misy anefa distrika 2 ihany tahaka an’I Bongolava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap