airtel

Politique

30-mai-2024

KAOMININA TALATAMATY

Hahazo birao fiasana vaovao

Sample post image

Ela ny ela fa hahazo birao fiasana vaovao ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

30-mai-2024

Anisan’ny vina voalohany napetraky ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic izy io nanomboka tamin’ny fotoana niadidiany ny tananan’i Talatamaty raha araka ny fanazavany ary izao tanterahiny soa aman-tsara izao. Vokatry ny fanampian’ireo malala-tanana sy ireo orinasa eo amin’ny manodidina no angady nananana sy vy nahitana izany, foto-drafitrasa izay ahitana efitrano tsy latsaky ny 8. Ao anatin’ny 6 volana no hanatontosana ny asa, izay efa mandeha amin’izao fotoana izao. Samy hahazo anjara ao amin’io birao vaovao tsy lavitry ny biraon’ny kaominina amin’izao io avokoa ireo sampandraharaha rehetra misy eo anivon’ny kaominina. Anisan’izany ny fanamboarana ny karapanondrom-pirenena…Ahitana efitrano lehibe iray ihany koa ao amin’ity foto-drafitrasa vaovao ity raha misy rihina iray no handrafitra azy manontolo. Nomarihin’ity Ben’ny tanana iray ity moa fa ny birao fiasana no fitaratra ho an’ny kaominina iray. Ho an’i Talatamaty manokana dia efa antitra dia antitra ny foto-drafitrasa satria efa mihoatra 30 taona tany ho any raha kely no nijoroany. Nisy ihany ny asa fanavaozana natao nandritra izany saingy ny fananana trano fiasana vaovao no hita fa tena vahaolana maharitra.
Pati
Legende : Ny biraon’ny kaominina vaovao vao hatsangana amin’izao sy ny teo aloha !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap