airtel

Politique

11-déc-2023

Kisambotsambotra, ramatahora,…

Anaty fonjabe mitafo lanitra ny Malagasy

Sample post image

Fonjabe mitafo lanitra sisa ny fiainan-dRamalagasy, hoy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena

11-déc-2023

miaina ny toe-draharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny rojo vy an-tongotra no tsy ampy. Tena niverina ilay fanjanahana, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Tsy mifidy ary tsy ampoizina intsony fa hatramin’ireo olona tsy heritreretina sy heverina fa mpanelanelana anatin’izao toe-draharaha mafampana izao aza, izany hoe ireo heverina ho raiamandreny miantso fihavanana, dia tratry ny antsojay isan-karazany sy voaantso atao fanadihadiana na voasambotra mihitsy. Isan’ny nanaitra ny mpanara-baovao maro, ohatra, ny fiantsoana ireo filohana sendika miisa 2 dia ny filohan’ny SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, izay nambara moa fa ahiana ho manohitohina ny fiandrianam-pirenena. Toy izany koa ny an’ny namana mpanao gazety Gasikara Fenosoa Mandrindrarivony, izay nambara fa ahiana ho nampirisika fikomiana miaramila. Dia saika ho toy izany sy mifanakaiky amin’izany daholo ny ankamaroan’ireo antony niantsoana olompirenena neverina fa naneho hevitra, eny, na dia naka fanehoan-kevitra fotsiny aza ho hadihadiana teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka be vava teny. Ny sasany moa nidoboka am-ponja mihitsy ary na efa matetika ho nitaraina fa nahavita sazy aza dia tsy mbola navoaka raha tsy hanontrona farany ny nofo mangatsiakan’ny sasany. Ny sasany moa maty tany am-ponja mihitsy. Kisambosambotra, fanerena fanehoan-kevitra, mpitandro filaminana etsy sy eroa izay mampametra-panontaniana hoe tena hitandro filaminana tokoa ve sa sanatrian’izany tonga amin’ilay fomba fiteny hoe hanao hery famoretana vahoaka na ho fampihorohoroan-tsaina ny olompirenena? Ny vokatry ny ezaka amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao manaraka izao indray moa no hirariana hamaly izany rehetra izany ary koa handiso na hanamarina ny zava-miseho rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap