faharoa eto amin’ny Distrikan’Avaradrano, tarihin’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo sy Ratavilahy Andry.Tsy maintsy atao manaraka ny filàn’ny vahoaka sy ny tena laharam-pahamehana ny fandaniana ny volam-panjakana hisian’ny akony mivantana eny ifotony hoy ny Kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny Distrikan’Avaradrano. Ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fanosehana ny sehatry ny famokarana ho fanatsarana ny farim-piainan’ny tantsaha, isan’ny vaindohan-draharahan’ny Kandida Solombavambahoaka Hajo Andrianainarivelo sy Ratavilahy Andry ao Avaradrano. Atao laharam-pahamehana ny fampianarana ny zanaka malagasy, ny fahasalamam-bahoaka satria ao anatin’ny saina matsilo, ny fananan’ny vahoaka vatana tomady no afaka hiasana hisian’ny fampandrosoana. Vonona hiady ho an’izany ny kandida an’ny kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano. Tsy ho mpananga-tanana fotsiny tahaka ny nahazatra rehefa tonga eny amin’ny Antenimierampirenena fa hiaro ny tombontsoan’ny maro an’isa, ary hanaraka akaiky ihany koa ny fampiasana ny volam-bahoaka.
Nangonin'i RTT
Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra
Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana
Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia