airtel

Politique

17-oct-2024

Krizy ara-bola, ara-toekarena, ara-tsosialy

Tratry ny kenda roroka, tapi-dalan-kaleha ny fitondrana…

Sample post image

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

17-oct-2024

maro samihafa amin’izao fotoana izao. Tsy dia misy fitantanana mirindra sy mirafitra intsony, fa efa lasa miendrika kisendrasendra, ka miankina amin’ny zava-misy sy mitranga ny fomba fiasa. Taiza tao anatin’ny 60 taona no lasa programam-panjakana ny fanapariahana « bonbonne » satria krizin-drano ? Taloha tany Tsihombe sy ny tapany atsimo no nanaovana izany fa izao efa Antananarivo ka izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Tsy nijery lavitra ka efa songonan’ny zava-misy vao hoe : hanao an’izao isika, anio dia anio, rahampitso dia rahampitso, tsy maintsy tsy maintsy,… ny Fanjakana Rajoelina, ka tsy misy zavatra tena voafehy sy milamina intsony amin’izao fotoana izao. Ireo fampanofinofisana nampanantenaina tsy misy tanteraka, fa mandritra ny taom-piasana iray toa mbola propagandy ihany : angovo 400MW efa nakarina 1000MW indray ao anaty fampanantenana, ny Tanamasoandro nolazaina fa hataon’ny Al Jabber avy eo ny Tiorka fa tsy vita dia izao indray miantso arabo hafa amin’ny resaka fizahantany, angovo, ny Fly Over, ny pipeline,… Tsy misy zavatra mandeha fa ny vahiny no mbola andraindraina sy ianteherana hamaha ny olana eto. Ny fampanantenana betsaka tsy misy vita, ny tsindry mitombo, ny fangejana ataon’ny mpiara-miombon’antoka mihamafy,… Inona no antenaina amin’izany ?
MAFY NY TSINDRY SY FANGEJANA
Ao anatin’izao fivoriana hanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana izao no nahatongavan’ny Iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI, izay manery sy mangeja ankolaka ny governemanta Malagasy hihefy tenda. Natsikafony fa nitombo be ny fandaniana natontona tany amin’ny Jirama nanomboka ny jona noho ny mbola famoahana 366 tapitrisa miliara Ar, mbola tsy hita soritra ny fandoavana ny trosan’ireo orinasan-tsolika,... Karazana « Lettre de cadrage » avy amin’ny FMI no azo andraisana an’io, raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena Serge Zafimahova tamin’ny fahitalavitra iray omaly. Mamaritra fa tokony hatao mazava ny resaka jirama sy ny trosan-tsolika. Mafimafy ihany koa ny politikam-pitsitsiana na « politique d’austérité » tokony hotazonin’i Madagasikara kanefa ny depiote mitady fiara tsy mataho-dàlana, izay toa misy fifanoherana. Efa nahena ny tetibolam-panjakana 2024 satria misy fampihenana 3435 ny tetibolam-panjakana teo amin’ny LFI sy LFR. Notsindrian’ny FMI ny fisian’ny olona manao ampihimamba ao anatin’ny fitondrana, ka tsy mamparisika ny orinasa sy mpampiasa vola avy any ivelany. Mafy kokoa ny tsindrim-peon’ny FMI, izay efa fambara sy fanerena ataon’ny rafitry ny Bretton Woods, izay manao safosafo miaro felaka. Tamin’ny zoma ny Banky iraisam-pirenena noraisina fa hamoaka vola 220 tapitrisa dolara amin’ny resaka rano, kanefa mamoaka serasera mahery vaika ihany koa. Midika fa menery sy manitsy ny fitondrana tsy hanaonao foana ao anatin’ny fanintsiana ny tetibolam-panjakana 2024 tsy hibolila ny FMI. Tratry ny kenda roroka ! Dia mizotra mankaiza izany ny Fitondrana Rajoelina ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap
16-oct-2024

Nanazava sy niaro tena ny eo anivon’ny CENI

Card image cap