latsaka 1 alina Ariary. Efa manodidina ny 4000 Ariary ihany koa ny kilaom-bary. Niaina krizy mbola tsy voavaha hatramin’ny taona 2009 moa ny firenena nanomboka teo amin’ny alatsinainy mainty ny 26 janoary 2009, raha tsiahivina. Fotoana izay naha may sy voaroba orinasa maro teto amin’ny firenena na vaventy toy ny Magro sy Tiko io na ireo madinika toy ireo teny Behoririka sy Tsaralalàna tamin’izany fotoana izany. An’aliny maro ireo malagasy lasa tsy an’asa vokatr’izany. An-jatony maro ihany koa ireo namoy ny ainy iny alatsinainy iny ary mbola niampy ireo voatifitra teny Ambohitsirohitra ihany koa moa ny 7 febroary nanaraka an’iny. Neverin’ireo nitolona tamin’izany fotoana izany fa tena hitondra fanovàna tokoa moa tamin’ireny fotoana ireny ny revolisionina volomboasary notarihin’ny filohany, Andry Rajoelina na Andry TGV. Iaraha-mahita anefa ankehitriny ny tohiny fa lasa filoham-pirenena ihany ilay nitarika ny revolisionina volomboasary rehefa avy lasa filohan’ny tetezamita saingy io lasa faran’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany io ilay firenena. Nanampy trotraka izany ny krizy ara-pahasalamana ny taona 2020 rehefa tonga teto ny valanaretina COVID 19 na dia azo nosorohana tamin’ny alalan’ny fanidiana ny sisin-tany ara-potoana ihany aza. Nampametra-panontaniana fatratra moa tamin’ireny fotoana ireny ny hoe niniana nampidirina ve ny aretina mba hahazoana ilay famatsiana volabe 900 tapitrisa Euro, izay tsy hita mazava ny mangarahara tamin’ny fandaniana azy? Toa notakotakonana tamin’ny fizaràna kitsinjotsinjo sy famenomeno fotsiny dia tsy hay intsony hoe nanao ahoana ny tohiny? Maninona no mbola tsy mivaha hatramin’izao ny olana eto amin’ny firenena? Krizy izay ahiana hamotika tanteraka raha mbola hiampy hafa indray anefa izany satria dia efa mampanahy koa io ny mikasika ilay valanaretina vaovao HMPV miparitaka ao Chine ihany. Mbola hihazohazo toy ny tamin’ny 5 taona indray ve ny fitondràm-panjakàna malagasy sa mba handray fepetra tena mendrika sy maha te hidera ary mba ho reharehan’ny malagasy tsy an-kanavaka amin’ity indray mitoraka ity?
J. Mirija
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.