airtel

Politique

26-déc-2023

Krizy sy fahantrana lalina

Fanesoana ilay « Madagasikara tsy maintsy mandroso » hatreto

Sample post image

Miharihary, tsy takona hafenina intsony fa tena miaina anaty krizy ny vahoaka Malagasy.

26-déc-2023

Ao anatin’ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona, ary miomana hiatrika ny taona vaovao isika, saingy tena hoe : ity vao tena krizy mafy noho ny fahasahiranana sy fahantrana. Tsy mahita izay hiantsampazana intsony ny olona, tsy miaina fa miezaka ny tsy ho faty sisa. Vokany, betsaka no mirohotra vao misy zavatra bojy sy kizarazara satria sitrany ahay, ary taratr’izany io filaharam-be amin’ny jiron-dRajoelina io. Oviana teo amin’ny tantara no nisy nilahatra be ohatran’io alohan’ny krismasy ? Atao mahagaga ve raha misy ny olona sasany mandeha mivarotra an’ireny zavatra zaraina ireny 5000Ar aza raha toa ka mety ho avo folo na roapolo heny ny mety ho mason-karenany ? Hararaotina sy hatao fitaovana amin’ny fahantrany ny olona, ary ireny filaharam-be ireny dia efa endrika maneho fa betsaka ny mety tsy an’asa na tsy manana fivelomana marim-pototra ka mandeha mandanyfotoana milahatra na hiaretana hafanana sy masoandro migaingaina aza. Ampirevena amin’ny jiro mamirapiratra etsy Ambohitsorohitra, arahina fizarana zavatra ho an’ny ampahan’olona dia tahaka ny hoe : miadam-pinaritra ny ambanilanitra ?

ADINO NY TENA OLONA FOTOTRA
Ny olana fototra dia ny lafiny ara-toekerana mahatonga ny fitotonganan’ny sandam-bola, ny sondro-bidim-piainana mihoampampana na « inflation », ny politikan’ny fampanan’asa, ny tontolon’ny angovo hoenti-mamokatra,… toa hodiana adala, tsy hananana vahaolana maharitra sy mafonja ary maty paika, fa dia ny fahantram-bahoaka milahatra etsy sy eroa no raisina ho fitiavana sy fankatoavana ilay fitondram-panjakana lany. Ny fahasahiranana mitombo, ary tena mipaka hatrany anaty vilanin’ny Malagasy mihitsy ny sondro-bidim-piainana, izay tena miakatra andro aman’alina. Ny vary vidianao 3100Ar anio rahampitso efa tafakatra 3300Ar, ny saran-dàlan’ny zotra nasionaly efa manomboka misy mampiakatra na dia mbola tsy mihetsika aza ny vidin’ny solika,… Krizy sy fahantrana inona no ho voavaha ao anatin’izany ? Moa tsy mbola ny vahoaka mahantra indray aza no hararaotina terena mivantana hiditra anaty antokon’ny fitondrana hiketrehana ny fifidianana manaraka dia ny depiote sy ny ben’ny tanàna ?

MADAGASIKARA TSY MAINTSY MANDROSO TOKOA VE ?
Dradradraina foana ny hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso », kanefa ny fomba fiasa tsy hita izay miova, zary lasa pilia vava fotsiny, fa ilay firenena miha milentika ihany, ka toa zary lasa fanesoana sy fanompana ny Malagasy sanatrian’ny vava. Ny fakana fahefana no mahamaika fa tsy ny fampandrosoana, ary tsy fandrosoana no hita fa vao mainka fihemorana. Efa hiditra taom-piasana faharoa, saingy ny olan’ny delestazy nanaovana vava be 5 taona lasa no mitoetra, ny rano tsy misy, ny fakon’Antananarivo misavovona vao mainka misavovona etsy sy eroa aza tsy voavaha ny olona ka Madagasikara tsy maintsy mandroso amin’ny ahoana moa ? Mandroso makany amin’ny kizo sy ny fahantrana hatrany ka raha 74% ny tahan’ny fahantrana tamin’ny niakarana teo 5 taona lasa, dia efa niakatra 81% latsaka kely, ka hakarina firy indray ? Izany ve no atao hoe : fandrosoana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap