airtel

Politique

09-janv-2025

Lahatra Andriamahatsangy

«Ilaina izany izao ny fihavanana eo amin’ny mpanohitra»

Sample post image

Misy karazany maro ny fampihavanana ilaina eto amin’ny firenena, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy.

09-janv-2025

Raha ny eo amin’ny lafiny politika, hoy izy, izao dia mbola miisatra ny fampihavanana eo amin’ny samy mpanohitra. Tokony hisy ny fampivondronana eo amin’ny samy mpanao politika aty amin’ny sehatry ny mpanohitra! Zava-misy foana eran-tany ny mpanohitra sy ny eo amin’ny fitondràm-panjakàna. Any Etazonia, ohatra, misy ny demokraty sy repoblikanina. Any Frantsa misy ny macronista sy ny isan-karazany fa ny eto aloha izany izao dia iaraha-mahita ny tsy fandrosoan’ny firenena. Misy fitondràna tsy manana fahaizana na «compétence» izany ao ahafahana mampandroso ilay firenena. Izay izany no olana hita ankehitriny, raha tsy hiteny isika hoe efa tany amin’ny taona 2009 tany no nitondra izao fitondràna izao dia iaraha-mahita ny hoe tsy mbola misy loatra ny fivoarana eto Madagasikara. Miakatra ny vidim-piainana. Eo ny fihemoran’ny firenena amin’ny filaharana isan-karazany maneran-tany. Tsy hilaza zavatra betsaka aho fa rehefa ny mpitondra fivavahana izay atao hoe manana ny fahamarinana na tsy 100% aza dia ireny efa hitantsika miteny ireny daholo entina ilazàna hoe tsy rariny izao mahazo ny vahoaka malagasy izao. Tsy ny mpanohitra no tomponandraikitra amin’izany fa ny eo amin’ny fitondràna. Niatrika fifidianana isika teo. Niaraha-nahita daholo hoe nisy ny lalao maloto saingy na izany na tsy izany dia hita daholo koa hoe iza daholo no hery tokony hitarika ny fanoherana? Fanoherana amin’ny lafiny tsara no resahina eto, izany hoe, mitondra hevitra vaovao entina hanatsaràna ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Ilaina izany izao ny fihavanana eo amin’ny mpanohitra ahafahana miara-mientana hitondra hery vaovao eto amin’ny firenena malagasy. Ny fitondràna no tokony hanana ny vahaolana manontolo manoloana ny olana misy eto amin’ny firenena satria efa azy daholo na ny tafika na ny antenimieram-pirenena na ny antenimierandoholona na ny ben’ny tanàna be dia be sy fitsaràna. Tsy tokony hifampiandrasana izany ny hoe iza no tokony hitondra vahaolana fa rehefa hitanao kosa nefa hoe tsy mahomby ianao dia mba hendry toa an’ilay praiminisitra kanadianina iny! Mametraha fialàna, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

09-janv-2025

«Ny fifanimbàna ara-politika no tsy tokony hisy!»

Card image cap
09-janv-2025

Raikitra ny fampitenenana na fiarovana ny fitondrana nataon’ireo olom-boafidy

Card image cap
09-janv-2025

Mitohy ny fiarovan-tena sy fanadiovan-tenan’ny Fitondrana Rajoelina eo anatrehan’ny tsy fahombiazana goavana,

Card image cap
09-janv-2025

Naneho hevitra mikasika ny filankevitry ny Minisitra nalefa ampahibemaso omaly ny mpanao politika izay efa kandida

Card image cap
09-janv-2025

Hita ho tena mangotraka ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ary tena mafana tokoa vao manomboka ny

Card image cap
08-janv-2025

Tsy azo ihodivirana ny fifanatonan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara manoloana izao olana misy eto amin’ny firenena izao.

Card image cap