airtel

Politique

22-oct-2024

LALAO MALOTO ARA-PIFIDIANANA

Efa ahitana tranga koa ao Manjakandriana

Sample post image

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

22-oct-2024

Ben’ny tanana izay hotanterahina ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao ihany koa ny ao amin’ny Kaominina Manjakandriana, distrikan’i Manjakandriana. Raha araka ny fanazavan’ny Kandida Tsiveriharisoa natolotry ny FIVOI dia efa misy kandida mpifaninana manangona ny kara-panondro sy ny kara-pifidianan’ny olom-pirenena feno 18 taona sahady amin’izao ao anatin’ity kaominina ity arahin’ny fakana sary. Hanananay porofo mihitsy izany hoy ity Kandida ka tokony hihetsika mafimafy sy hiditra lalindalina kokoa ny Voamierana mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Efa diso avo lenta loatra mantsy hoy hatrany ity kandida ity ny teknikan’ny fangalaram-bato eto amintsika amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny teknolojia. Kilalao madio sy fahasahiana no tadiavina hoy hatrany izy fa tsy tahotra sahady, arahin’ny fanaovana lalao maloto.
Pati
Legende : Atahorana ho tonga hatrany amin’ny fitondrana ny bileta tokana tahaka izao ny fifidianana Ben’ny tanana raha tsy voafehy !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap
21-oct-2024

Mitohy ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ho an’ny Antoko TIM tarihin’ny kandida ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina N°3 ao Alakamisy-Vontovorona

Card image cap