airtel

Politique

23-oct-2023

Lanto Eric Randrianarimalal

a “Tena loza ho an’ny mpandraharaha ny mpitondra mivadibadika!”

Sample post image

Tena loza ho an'ny mpandraharaha tokoa ny “partenariat public privé” na fiaraha-miombon’antoky ny sehatra

23-oct-2023

miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana rehefa sendra ny mpitondra mivadibadika, hoy ny mpandraharaha Kristianina, Lanto Eric Randrianarimalala! Tadidinao ve ny nanafoanan'i Naina Andriantsitohaina ny fifanarahana tamin'ny Easy Park, hoy izy? Ny Easy Park no nanao “conception” na petrakevitra ny “système” na rafitra, nametraka ny rafitra, nampahomby ny rafitra. Toy izay foana. Rehefa miroborobo ny orinasa iray vokatry ny ezaky ny mpandraharaha dia tonga ny fanjakana miteny hoe anay ity. Izany hoe ianao nangady, namboly, nanondraka, dia rehefa tonga ny fotoana fiotazana dia somparan'ireo tomponandraikim-panjakana izany noho ny antony izay sendra hitany eo. Ankehitriny dia noraisin'ny CUA izany. Moa niova ny fomba fiasa? Moa ve lasa mora kokoa? Moa ve matotra kokoa? Tsia, mazava ho azy! Ilay zavatra nampimenomenona anao teo aloha ihany no eo. Ny Plaza ampefiloha, izay toerana tsara sady mahafinaritra taloha dia simba rehefa tsy nasiana vidiny, tsy nokarakaraina ary lasa “dépôt de stockage” na fanariana fako efa am-polo taonany maro. Rehefa nahita azy ny orinasa CANAL 7 dia nanao fifanarahana tamin'ny minisitry ny fanabeazana tamin'izany, Paul Rabary, fa vonona hanarina sy hamadika ny toerana ho “Cinéma” na toeram-pijerena sarimihetsika sy “Salle de Spectacle” na toeram-pijerena lanonana ary ihany koa afaka ampiasain'ny minisitera rehefa ilaina. Niroborobo fatratra izany toerana izany ary misy karazana “activités” na hetsika maro tao. Tsy zakan'ny lohan'ny mpitondra fanjakana ny mahita orinasa miroborobo amin'izay mety hoe misy anjarany dia nopotehina izany. Tsiahiviko etoana ny ATV. Ny ESM no nanao ny “investissement” na fampiasam-bola rehetra tao amin'ny ATV. Nanomboka tamin'ny fitaovana kely indrindra toy ny “table” na vatamarobokotra, kamera, “émetteur Radio” na fampitana onjapeo sy fahitalavitra, ny mpiasa rehetra, ny fitantanana, ny fandaminana rehetra. Fiangavian'ny CUA tamin'izany no nanekenay izany fiaraha-miasa izany ary raha atotaly dia lavitrisa no vola lany. Nandritry ny herintaona dia natao izay hampandroso izany televizionina izany ary nanomboka niakatra ny lazany satria ny volana mai 2015 dia niantso anay ny Canal+ mba hanao fifanarahana hampiditra ny ATV tao amin'ny Canal+ ankoatran’ny efa fisiany tao amin'ny Blueline. Nanomboka teo dia nisokatra ny làlana satria hanana “couverture nationale” na fielezana manerana ny nosy izany ny ATV. Rehefa nidinika anefa ny tany ambonimbony tany dia nanapa-kevitra ny hitady fomba hanakatonana ny ATV. Nofoanana tsotra izao fotsiny ny “Licence” na fahazoan-dalana nefa ara-dalàna daholo ny taratasy rehetra teo am-pelatanako. Taty aoriana vao fantatro fa ny SGG tamin'izany no nanome baiko ny minisitry ny serasera hanafoana ny “Licence”. Ny antony ve? Hitan'izy ireo tamin'ny “sondage” na tombana fa ho lany ben’ny tanàna i Lalao Ravalomanana. Tsy mbola nisokatra ny MBS tamin'izany. Vao tsy ela akory dia nisy asa izay nokarakarain'ny mpamatsy vola, ny “bénéficiaire” na mpahazo tombony tamin'izay dia ny fiadidiana ny repoblika. Rehefa asa vatsian'ny mpamatsy vola moa dia izy ireo no mitady ny “prestataire” na mpanatanteraka asa. Rehefa fantatry ny fiadidiana ny repoblika fa ny MPC no “prestataire” voafidy dia notereny ireo mpamatsy vola hitady “prestataire” hafa ary hanapaka ny fifanarahana na dia efa lasa aza ny BC. Efa vita anefa ny “installation” na fametrahana izany. Ny antony nanapahana ny fifanarahana dia hoe nigafy ny fivoriana teny amin'ny CCI ny MPC. Raha tsiahivina anefa ny zavatra nitranga teny dia 120 -150 “casques” na kaska monja no isan’ny nafarana nefa 290 isa ny vahiny nila kaska teny nisoratra anarana. Niangavy mafy ahy ireo mpiandraikitra tsy hiteniteny izany kanefa ny tena marina tiany hatongavana dia nafatratr'izy ireo taty aminay ny fahadisoana mba hiheverana fa izahay no nigafy. Fa maninona aho no mitantara izany. Eto amintsika dia ny “privé” na sehatra tsy miankina no mizaka ny fahadisoan'ny mpitondra fanjakana. Tsy misy azonao atao fa mizaka fotsiny rehefa lasibatra. Mila mpitondra manaiky ho “redevable” na mahay mankasitraka isika, mpitondra manaja lalàna, mpitondra manaja rafitra, mpitondra tsy manao tsinotsinona mpandraharaha. Ny mpandraharaha no mamorona asa ary mamelona ny mpiasa, ny tokantrano ary ny firenena, hoy hatrany ity mpandraharaha ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap