airtel

Politique

12-déc-2024

Lisi-pifidianana mampiahiahy

Tena nabontsina nanenjehana isa…

Sample post image

Niharihary ny tranga mampiahiahy mikasika ny fifidianana notanterahana omaly 11 desambra 2024.

12-déc-2024

Betsaka ny lesoka sy ny ahiahy mikasika hosoka avo lenta. Iantefan’izany voalohany ny resaka lisi-pifidianana tamin’ny fampidirana mpifidy vaovao tamin’ny alalan’ny « ordonnance », izay toa nentina nanabontsinana ny lisitra tamin’ny alalan’ny fanenjehana isa, rehefa tena zohiana. Nirarakopana ny anaran’olona tsy fantatra mazava ny anaran’ny Ray (Père Inconnu na PI) sy reny (Mère inconnu na MI) tao anatin’ny lisitra navoakan’ny CENI. Misy anarana tonga dia mifanesy be tahaka ny Raharimalala dia ampiana fanampin’anarana, izay efa 40 isa misesy izay « PI » avokoa, ary zanak’i Raharimalala avokoa ho an’ny reny. Tahaka izany ihany koa ny Rafanomezantsoa am-polony mahery tsy misy rainy, ary Rafanomezantsoa avokoa ny reniny. An-jatony ihany koa ny anarana tsy misy Ray aman-dreny, ka ny fanampinan’anarana no naverina amin’ny anaran’ny reny. Be loatra ireo zavatra mampiahiahy, nahoana no olona efa an’arivony no lazaina fa tsy fatatra ny rainy na tsy fantatra ny reniny, na tena hoe tsy fantatra ny ray sy reniny. Ankoatran’izay hafahafa be ny voasoratra eo amin’ilay hoe anaran’ny reny niteraka. Ohatra : Arthur, John, Koto, Olivier, Son.Olivier Rochel, Alain Jean De Dieu, Thomas Jean Noel ….izany ve dia anarana vehivavy ? Ary raha ny fahitana azy dia fanampin’ananarana , tsy misy anarana fa tahaka ny hoe nosoratana sy napetraka maimaika fotsiny. Tsikaritra ihany koa omaly maraina ary naharitra ora vitsivitsy ny tsy fahafahana niditra tamin’ny tranonkalan’ny CENI nahafahana nijery sy nanamarina ny anarana. Nisy ireo antoko sy vondron’antoko nangataka sy nitaky ny lisi-pifidianana sy hamoahana azy ofisialy, saingy tsy nahazo valiny hatramin’ny farany. Ny Antoko Tia Tanindrazana tarihin’i Tahina Razafinjoelina dia anisan’ny nanao an’io efa iray volana lasa, ary mbola nampiasa ireo vondrona mpahay lalàna na « équipe juridique » saingy tsy tena nisy ny valiny mahafa-po avy tamin’ny rafitra mpikarakara ny fifidianana. Tsiahivina fa 68 479 ny mpifidy nampidirina tamin’ny « ordonnance » ka ho an’Antananarivo, dia mahatratra 45 728, Antsiranana 10 074, Fianarantsoa 1316, Mahajanga 2418, Toamasina 1418, Toliara 7525,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap