airtel

Politique

14-juin-2023

Politique

Lola Rasoamaharo Hovonoina any am-ponja ?

Sample post image

Nilatsaka omaly 13 jona 2023 ny didy henjana ho an’Atoa Rolland Hubert Rasoamaharo na Lola Rasoamaharo Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de La Grande Île.

14-juin-2023

Nohelohin'ny Fitsarana higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, miampy onitra 20 tapitrisa Ar sy lamandy 10 tapitrisa Ar Atoa Lola Rasoamaharo raim-pianakaviana 71 taona, tompona orinasan-gazety. Io no didy tamin’ny fitorian-dRtoa Brigitte Razaka, izay nitory azy ho nanao fitakiam-bola tsy ara-drariny mitentina 885 tapitrisa Ar sy nanao fanalam-baraka ary nanao fandrahonana azy tamin’ny kisarisary na « graffitis », ka nisamborana sy nampidirana azy am-ponja nanomboka ny 25 martsa 2023. Ny fanazavana efa nataon’ny ankilany kosa dia resaka fitakiam-bola tamin’ny alalan’ny hafatra tamin’ny mailaka na “mail” indray mandea noho ny vidin-tany 11 miliara Ar saingy 3 miliara Ar no voaloa no nataony. Tsy teto an-toerana ihany ko aizy tamin’ny fotoana nisian’ny sarisary fandrahonana, raha ny fanazavana efa nentin’ny mpisolovava azy. Henjana ny sazy ka nilaza ny hampiakatra ny raharaha ny fianankaviany. Momba ny raharaha faharoa kosa, maty paik'andro ny fitorian'ny Jirama, ka nohafahana tamin'io izy. Ity raharaha faharoa ity anefa no nanakatonana ny La Gazette sy nanagiazana ny fananany manontolo ka asa izay ho avin’io gazety io taorian’ny didy? Maro no mandray ny fandetehana an’Atoa Lola Rasoamaharo ho misy ambadika politika avo lenta noho ny tsikera mivaivay nataon’ny La Gazette eo anatrehan’ny zavatra heveriny fa tsy mety eto amin’ny firenena. Efa nisy moa ny fampahalalam-baovao nilaza hoe : « misy tompon’andraikitra ambony nanambitamby azy 95 tapitrisa isam-bolana mba hiarovana sy hanadiovana fitondrana amin’ny alalan’ny lahatsoratra an-gazety ary nandray an’io izy ny volana febroary 2023 fa tsy nety nandray intsony izy ny volana marsa satria tsy te hiaro ny tsy azo arovana intsony. Efa tonga tao amin’ny biraony io vola io nisy nanatitra saingy tsy noraisiny, ka mety tezitra tamin’izay ny fitondram-panjakana ka nanosika an’i Briditte Razaka hitory azy». Avo lenta ity raharaha ity, ka samy mety hanana ny handikany azy ny rehetra. Ny azo antoka dia misy mpitondra Fanjakana tsy faly aminy sy nifanenjana taminy na teo aza ilay raharaha nanamelohana azy 5 taona, ka maro no maneho fa misy ifandraisany amin’ireny, ary efa maty paika ny fandetehana azy. Izy izay efa somary nahazo taona, ary nandritra ny fitsarana ny 06 jona teo aza dia safotra teny amin’ny fitsarana. Misy no mametra-panontaniana ankehitriny hoe : kasaina hovizanina sy hovonoina any am-ponja mihitsy ve Atoa Lola Rasoamaharo fa manelingelina ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-nov-2024

ny tontolo politika teto Madagasikara tao anatin’ny 15 taona mahery.

Card image cap
22-nov-2024

vola avy aiza no ampiasain’i Tahina Razafinjoelina amin’izao firotsahana ben’ny tanàna izao ?

Card image cap
22-nov-2024

Malemy ny fanoherana, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
22-nov-2024

Tena hisy fa tsy hoe honohono ilay fandaharana manokana iarahana amin’i tahina Razafinjoelina

Card image cap
22-nov-2024

Nanamafy ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina fa ezahana hovitaina

Card image cap
22-nov-2024

Aza miheritreritra ianareo hoe mahafaly ny mpitondra ny mahita mpanohitra miady izany,

Card image cap