airtel

Politique

15-nov-2023

Madagasikara mampiombona

Vinan’Andriamanitra ho an’i Madagasikara, hoy ny AFK

Sample post image

Ny faran’ny taona 2016 no nisy namana vitsivitsy nikaon-doha, hoy ny mpitarika ny hetsika Antso

15-nov-2023

fiarahamonina Kristianina na AFK, Ricky Andriamparany. Maninona moa, hoy izy, ity firenena ity no tsy mety mandroso nefa vavaka an-tapitrisany no miakatra any an-danitra? Nahita izahay tamin’izany fa efa ela Andriamanitra no namaly vavaka fa isika no tsy nihaino tsara. Rehefa mihavana amin’Andriamanitra ny olona, ny teniny dia hoe mihavàna ianareo! Mifankatiava! Mifanomeza tanana dia ho tafavoaka anaty lavaka ny firenena. Tsy vitan’ny malagasy na mivavaka toy inona aza izy ny tena mifankatia satria ny antony dia tsy mifampatoky izy. Rehefa nodinihinay ny antony mahatonga ny malagasy tsy mifampatoky dia misy andry fototra miisa 9 tsy tafajoro. Tsy maintsy ampifandraisina amina hairaha avo lenta ireo. Io no antsoina hoe PGI na “Projection de gestion intégré”. ERP no iantsoana azy amin’ny teny anglisy. Nataonay maimaimpoana tsy vidiam-bola io fa izay sehatra te hampiasa azy io na orinasa na fiangonana na firenena dia omena izany maimaimpoana. Ny fepetra nangatahanay fotsiny dia hoe aoka isika hifankatia. Izay fifankatiavana izay misy satana etika sy deontolojia eken’ilay olona hampiasa azy dia afaka ampiasainy io. Rindram-baiko na “logiciel” tena raitra, vita malagasy io dia mila kosa ilay olona tsy maintsy mahavita rindran-damina ahafahana mandrindra ny filàn’ny olona sy io rindrambaiko io. Maimaimpoana ny rindrambaiko fa ny karaman’ny tekinisianina handrindra azy kosa no mba handraisan’ny sehatra hampiasa azy anjara. Efa tamin’ny 2021 no vita io rindrambaiko io. Tsy hita izay tena vonona. Misy amin’ireo kandida ho filoham-pirenena ireo moa milaza fa hanao an’i Madagasikara ho nomerika dia isika efa manam-pitaovana. Afaka hifampiresahana izany raha vonona hifampidinika ny kandida resy lahatra amin’izany. Fitaovana efa vita mipetrapetraka io. Nisy olona nilaza hoe ity no vinan’Andriamanitra ny amin’ny firenena tamin’ny 2019. Nanao atrikasa statejika momba izany niaraka tamin’ny fikambanana hafa ny AFK. Niaraka tamina sekoly ambony tsy miankina koa. Hatramin’ny 2021 no efa vita ny boky siantifika miisa 7 nosoratana mikasika an’io hevitra io. Voatety ny lafy valon’i Madagasikara. Tsy manana vina iraisana ny mpanao politika eto Madagasikara. Hoy ny AFK hoe tsy aleo ve io vina nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny faminaniana io no atao hiraisana? Madagasikara mampiombona moa no niantsoanay azy. Mifankatia, mifanome tanana, mifampivelatra. Mihoatra lavitra noho ny samy mahazo na “gagnant gagnant” izany, hoy hatrany ny AFK.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap