fa tena mihazakazaka amin’ny fihemorana. Tsy manam-bahaolana hiatrehana ny olana tena mikiky ny vahoaka sy ny Firenena ny mpitondra, izay toa mitsoa-pahana mamoron-dia tsy sahy miatrika olana, mitady izay fomba hamiliviliana ny tsy fahombiazana,… Ara-politika, ny governemanta tsy mitsangana kanefa ny olana maro sosona mila vahana mitombo. Manomboka mampiaka-peo ny any amin’ny Minisitera samihafa fa olana be ny ara-bola toy ny famoahana vola hividianana solika, eny fa hatramin’ny karama aza misy voalaza fa mbola tsy nandray kanefa tokony ho efa tamin’ny faha-15n’ny volana. Hatramin’ny depiote mpanohana ny Fitondrana mitsikera, fa vokatry ny olan’ny jiro sy rano tapaka mandavan-taona no nampihena ny vaton’ny kandidam-panjakana teto an-drenivohitra sy ny tanàn-dehibe maro. Tsy manam-bahaolana atolotra ny vahoaka manoloana ny delestazy ka ny fihaonana tamin’ny Filoha Frantsay no roritina fa hanampy amin’ny fananganana tohodrano hamokarana herinaratra i Lafrantsa. Ampangain’ny karatra fa fampanantenana poakaty nentina nakana ny vaton’ny vahoaka ilay nolazaina tamin’ny 2018 fa hahavita famokarana 400MW ao anatin’ny 5 taona i Andry Rajoelina. Nandeha ny fampanantenana samihafa toy ny tamin’ny janoary 2020 fa ho foana afaka 6 hatramin’ny 8 volana ny delestazy,…
NY OLANA MITOMBO, NY FIRENENA AMBONY AMBANY,…
Ara-toekarena sy ara-tsosialy, tsy voafehy ny sondro-bidim-piainana na ny « inflation », tsy manam-bahaolana hampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Ny tsy fandriampahalemana mirongatra na aiza na aiza aleha, ny tsy fananan’asa mitombo andro aman’alina. Ny fako amin’ny tanàn-dehibe misavovona ary ny mpitantana voalohany izay olom-boatendry aza tsy hita popoka. Ambony ambany i Antananarivo ka samy manao izay saim-pantany ny rehetra satria ratsy tantana sy tsy voarindra ny Renivohitra, tsy voajary, tsy voalamina,… ka samy manao izay saim-pantany. Antananarivo izay fitaratry ny Firenena aza io no niafarany mainka fa ny Firenena ? Ny tontolon’ny fampianarana olana sy krizy mandavan-taona, hany ka saika isam-bolana misy fanairana ataon’ny mpianatra izay io miafarean’ny grevy io, ankoatra ny olana fitsarana bakalorea noho ny tsy fandoavana ny volan’ny mpampianatra. Ny làlana izay làlan-dran’ny firenena tapitra potika any amin’izay rehetra aleha, antony iray mampiakatra ny vidim-piainana, saingy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana. Efa notaterina teto ihany fa 9,4 % amin'ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD no vita na manakaiky ny fahavitana. Ny ODD 2 momba ny fandresena ny mosary, ohatra dia firenena faha-124 amin’ny 125 isika ; ny ODD 4 mikasika ny fisitrahana fampianarana ara-kalitao dia vao mainka mihemotra ; ny ODD 7 mikasika ny fisitrahana angovo araka ny tokony ho izy io dia io iaraha-miaina io ny delestazy,…
MALAZA RATSY NY FIRENENA
Mikiky hatrany ny Firenena ny fahalovana sy ny kolikoly, miteraka tsy fifampatokisana amin’ny endriny samihafa. Miainga avy any ambony ny ohatra ratsy amin’ny kolikoly sy tsolotra hany ka tsy mahatoky ireo mpiara-miombon’antoka sy mpampiasa vola. Nampiharihary ireny ny raharaha nisamborana sy nanagadran’ny Britanika ny olona tena nitokisan’ny Filoham-pirenena dia ny Tale Kabinetran’ny Filoha teo aloha Rtoa Romy Voos Andrianarisoa, ny fandrotsahana ho depiote ireo Minisitra teo aloha maromaro nanana dosie maloto,… Lavitry ny kitay ny afo amin’ny resaka fampiharana ny Fanjakana tan-dalàna sy ny Fanjakana tsara tantana.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…