airtel

Politique

14-août-2023

Politique

Malagasy mifanampy sy miroso Hitondra ny anjara birikiny ireo artista

Sample post image

Tazana nandritra ny hetsika nataon’ny kandida Tahina Razafinjoelina tany Fianarantsoa sy Antsirabe ny artista

14-août-2023

maromaro toa an-dry Ambondrona, Oladad, Mahaleo, Majeur 7 Kobaha, Mami Bastah, Rija Ramanantoanina. I Tahina no hitanay fa hany kandida ho filoham-pirenena manana vina mifanojo amin’ny zavatra noresahanay an-kira tao anatin’ny 51 tao hoy i Dama Mahalaeo. Mpinamana efa hatramin’ny taona 2004 tany ho any izahay sy i Tahina , ary olona tena tsotra sy tia manampy naman izy ka tsy misalasala raha misy azony atao.Olona tena tsotra tsy manasaro-javatra fa tonga dia mikroka vahaolana raha misy ny olana. Matoa aho tonga eto dia resy lahatra izany fa hahavita zavatra tsara sy hanasoa ny Malagasy i Tahina, hoy i Rija Ramanantoanina. Tahaka izay ihany ny faharesen-dahatry ry Oladad, anisan’ireo tarika manana ny maha izy azy eto Madagasikara, tena mifanojo ny eritreritra sy ny fomba fijery , hoy izy ireo ka izany no mahatonga anay hiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina. Ny Dama Mahaleo moa no nanoratra ary nanome maimaimpoa ny hira : « Avia Mandrosoa » ho fampitana amin’ny mpiray tanindrazana ireo vina sy hafatra ka miaraka mivazo aminy ao anatin’izany ry Oladad sy Ambondrona.
RTT 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap