taona, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona. Manahirana be ny mijery azy amin’ny ankapobeny, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana, dia izany zavatra izany no tena tsy maintsy tokony ahitàna vahaolana faran’izay haingana satria enga anie mba tsy ho sanatrian’izany ho lasa tena krizy eto amin’ny firenena izay hanahirana indray ny hamaha azy! Talohan’ny fifidianana mihitsy ny Maeva no efa niteny fa tomponandraikitra avokoa amin’ny toe-java-misy eto amin’ny firenena ny kandidà nilatsaka afa-tsy ny ampahany tamin’ireo kandidà tsy miankina. Efa fantatrao fa toy izao ny vokatra nefa ianao mbola nirotsaka ihany. Maninona raha nisy fifampidinihana mialoha mihitsy an-databatra boribory hamahana ny olana rehetra eto amin’ny firenena? Natao amboletra foana ilay izy dia izao no vokany sy ny zava-misy. Samy tsy misy hanaiky na ny andaniny na ny ankilany. Tadidio koa fa ireo nifidy nandritry ny fotoam-pifidianana teto amin’ity firenena ity dia nanodidina ny 40%. Ireo izany no nozaraina tamin’ireo kandidà na antoko nirotsaka tamina fifidianana na solombavambahoaka io na filoham-pirenena na ben’ny tanàna. Ilay vahoaka 60% na «majorité silencieuse», izany hoe tsy nandray anjara, no tena mijaly ankehitriny. Ilay filalaovanareo politika maloto tsinona no mahatonga ny firenena toy izao. Miantso na ny fitondràm-panjakàna na ny antoko mpanohitra mba tena hametraka mazava tsara ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Aza ny fitiavan-tenanareo no abahana eto amin’ity firenena ity! Raha hihenjan-droa toy izao ny tady, ny iray hisisika ho eny amin’ny 13 may, iza indray no ho atao sorona eny amin’ny 13 may? Iza indray no ho vonoina sy ratraina eny? Ny iray tsy hanaiky fa manana fahefana hanohitra an’izany. Sarisarim-politika efa niseho izany ny 2009. Ireo tomponandraikitra mitarika ny fanoherana sy ny mpitondra ankehitriny no tomponandraikitra tamin’izany. Sanatria ve valifaty toy izany foana no itondràna ny firenena? Raha tonga tokoa ny krizy, ny fahantrana efa mihoam-pampana, mbola ampiana krizy politika, aiza ho aiza ny toerana hisy ny vahoaka malagasy? Sao dia fitiavan-tseza diso tafahoatra, fitiavam-bola diso tafahoatra, fitiavam-boninahitra diso tafahoatra izao ataonareo izao? Tsy an’olona iray na roa na telo lahy i Madagasikara. Aoka izay ny fomba fijery amin’ny fitiavan-tseza, fitiavam-boninahitra, fitiavam-bola, fitiavan-karena fa mba jereo ireto malagasy ireto! Lasa tapaka isan’andro izao ny herinaratra. Manahirana ny rano satria vita ny propagandy. Ny vidim-piainana tsy taka-bahoaka intsony. Ny fampianarana tsy mandeha amin’izay laoniny. Ny fandriampahalemana tsy mandeha. Izany no efa tokony jerena! Aoka tsy ho sinema ity raharaha ity ka hoe hifampizarazara seza eo dia vita! Mampitandrina ny antoko politika Maeva. Dinika an-databatra boribory ihany no vahaolana. Niaraha-nahita ireny ny fivoahan’ny «Convention du 31 octobre 1991» na ny fifanarahana tao amin’ny Panorama Andrainarivo ny taona 1991. Hita ihany ny vahaolana ka nahoana ny amin’zao no tsy ho hita, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija
Raikitra ny fampitenenana na fiarovana ny fitondrana nataon’ireo olom-boafidy
Mitohy ny fiarovan-tena sy fanadiovan-tenan’ny Fitondrana Rajoelina eo anatrehan’ny tsy fahombiazana goavana,
Misy karazany maro ny fampihavanana ilaina eto amin’ny firenena, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy.
Naneho hevitra mikasika ny filankevitry ny Minisitra nalefa ampahibemaso omaly ny mpanao politika izay efa kandida
Tsy azo ihodivirana ny fifanatonan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara manoloana izao olana misy eto amin’ny firenena izao.