airtel

Politique

20-juin-2024

Mampitandrina ny kandidan’ny fanoherana

Miankina amin’izay ataon’ny HCC eo ny tohin’ny tantara…

Sample post image

Na misy kandida avy amin’ny mpanohitra aza lany vonjimaika, dia mitazona sy manamafy fa fifidianana maloto sy feno halatra

20-juin-2024

sy hosoka ny kandida avy amin’ny Vovonana Firaisankina sy ireo kandida hafa miray feo aminy, raha ny navoitran’izy ireo teny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo omaly 19 jona 2024. Nitohy ny fanatsikafonana ny ambaran’izy ireo fa fandikan-dalàna samihafa sy ny hosoka ara-pifidianana, toy ny fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika, ny tsy fanafangaroana ny asan’ny filoham-pirenena amin’ny asa anaty antoko, ny tsy fahafahana manao fitokanan-javatra anaty vanim-potoanan’ny propagandy, izay tsy manaja ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana, ny andininy faha-49, ny andininy 61-62-63 amin’ny ny lalàna 2018-008 momba ny fifidianana,… araka ny fanazavana nentin’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ny filazana fotsiny fa kandidam-panjakana dia efa tsy misy ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana na « neutralité de l’administration », hoy ny depioten’Analalava Djaosera Irenée. Ankoatra ny fandrahonana samihafa, minisitra roa no nifanesy tonga tany nizara zavatra, avy eo ny Filoham-pirenena mihitsy no tonga ary niantso vahoaka hifidy ny kandida afaka miara-miasa aminy, fa tsy mpanohitra hisakana fandrosoana. Noraketina tamin'ny alalan'ny vadin-tany ny fandikan-dalàna. Nangataka « audience publique » amin’ny HCC fa tsy nahazo, kanefa misy nangataka aiza ny fitovian’ny herijika na « égalité de chance » ? hoy io depiote sady kandida io. Maro amin’ny kandidan’ny fanoherana no nangataka izany, fa tsy nahazo hatreto, raha ny fanamarihana. Tany Vohemar, norahonana ny mpiasam-panjakana fa hafindra toerana rehefa tsy mandany kandidam-panjakana, hoy ny kandida avy any. Lazaina fa feno mpifidy kanefa olona iray angamba no manao sonia. Olona nampanantenaina vola tsy nahazo no mamoaka ny tsiambaratelo, hoy hatrany ny fanazavana. Misy delegena kandida navoaka nahafahana nameno ny vata fandatsaham-bato. Ny fanampiana traboina avy amin'ny BNGRC nozaraina tao anatin'ny propagandy ary nolazaina fa novidian'ny kandidam-panjakana. Misy ny kandidam-panjakana nomena angidimby manokana tamin’ny distrika sasany. Tany Ambatondrazaka, nitondra porofo ambarany fa mivaingana tsy azo lavina ny depiote Fidèle Razarapiera, toy ny 228 nivadika 528, ka mihoatra ny vato manan-kery ny vaton’ny kandidam-panjakana,… Naneho kosa Atoa Maharavo Tolojanahary Maharavo nisolo tena ny kandida Christine Razanamahasoa, fa efa iaraha-mahita ny fandikan-dalàna maro lafy, miverina ny fanjanahatany ary efa fanandevozana ny Malagasy no misy satria izay tian’ny mpitondra atao dia ataony avokoa, ka tokony hoheverina izay tokony hatao !
MIANKINA AMIN’NY HCC NY TOHINY…
Manoloana ny hoe : inona ary no atao sy manao ahoana ny tohiny dia « Tsy maintsy hiarahanay mandray fanapahan-kevitra, ary hifampizara andraikitra ny KMSB,... Rehefa terana ankolaka izahay ho any amin’ny làlana tsy tokony handehanana dia eo ny mpifidy rehetra hiaro ny safidiny », hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Miantso ny HCC hitsara am-pahamarinana sy araka ny lalàna ary tena handray fanapahan-kevitra eo anatrehan’ireo tsy fanarahan-dalàna maro ny fanoherana. Miandry an’izay ny rehetra fa tsy sanatria efa hita ny hala-bato tany amin’ny SRMV sy ny CENI dia mbola hoekena ihany, hoy ireo kandidan’ny fanoherana, izay toa karazana fampitandremana. Miankina amin’ny HCC ny mety ho tohiny ! Nanaitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hitazam-potsiny ny zava-misy ihany koa izy ireo.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap