airtel

Politique

11-mars-2025

Mamy Raharimanana

«Aoka tsy ho sinema intsony no hitondràna an’i Madagasikara!»

Sample post image

Tsy miheritreritra ny hidina an-dalambe mihitsy ny antoko politika Maeva,

11-mars-2025

hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana, raha toa ka mbola izao no zava-misy. Tsotra ny antony, hoy izy, dia hoe inona no tombontsoa hitondràna ny olona hidina an-dalambe? Efa lany andro izany 13 may izany. Ny famonoanao olona, ny fandratranao olona, famotehana zavatr’olona, izay ve no hahatonga anao eo amin’ny fitondràna? Iza no tsy nikaikaika tamin’ireny 2009 ireny? Ny mpitondra firenena tamin’izany izay nolazaina fa nitifitra ve no tomponandraikitra sa ny mpitondra ny olona teny Ambohitsirohitra? Eo no mbola tiako hisarihina ny sain’ny olona. Nitsoaka tsinona avy eo ny mpitondra tamin’izany fotoana izany. Tonga ny mpitondra vaovao. Rehefa avy eo nandeha ny fitsaràna nanameloka ny mpitondra teo aloha tamin’izany. Izy moa tany Afrika atsimo. «Affaire classé» na nampirimina ve ny raharaham-pitsaràna tamin’izany sa nivadika fifanarahana politika sa inona? Aoka tsy ho sinema intsony no hitondràna an’i Madagasikara, raha sanatria ka misy izany sinema izany! Mandehana an-kitsim-po, indrindra, amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Raha misy ny fahatahorana an’Andriamanitra, tsy ohatran’izao i Madagasikara. Tena betsaka ny olona faly amin’izao toe-java-misy eto amin’ny tany sy ny firenena izao. Malahelo ny tena manoloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Hoy ny filoham-pirenena amerikanina, Donald Trump, hoe olombelona ve ianareo afrikanina ireo? Mipetraka ho antsika malagasy koa izany fanontaniana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap