airtel

Politique

13-août-2024

Mandrangitra ny PM Ntsay…

«Efa miroso ny toekarena, tsy havelanay hoviravirainareo»

Sample post image

Nandiso ny filazana fa hitsakitsahina ny lalàmpanorenana amin’ny andininy faha-99

13-août-2024

mikasika ny tokony hanapahana ny drafi-panatanterahana ny Programa Ankampoben’ny Fanjakana na ny PMO ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly nanoloana ny Antenimierandoholona. Nambarany fa matetika ny olona miteny an’ireny dia olona any ivelany, Malagasy tsy monina eto, tsy mahalala ny zava-misy, ary matetika manome hevi-diso dia raisin’ny sasany ho hevitra marina. Tokony hakambana hampandrosoana ny hevitra hoe : inona no soso-kevitra hoentina manatsara, fa tsy faly manakiana fotsiny, hoy izy ka nilazany fa vonona handray soso-kevitra ny tenany, fa kosa tsy manaiky ny fikatsahana hanao izay tsy hiodinan’ny Firenena. Izay no zavatra tadiavina ao ambadika, ary mahalala tsara isika fa ny ady amin’ny fahantrana dia mila fanohizana lava, hoy ity Lehiben’ny governemanta. Tamin’ny 2002 izao, hoy izy, nisy olana dia niiba 12% ny harin-karena faobe, nihemotra lavitra be, ka izay no mahafinaritra amin’izao mba miresahana amin’ny mpandraharaha ara-toekarena maro, toy ny eo amin’ny tontolon’ny fizahantany fa milamina izy ireo tao anatin’ny 7 taona, hoy ny Praiminisitra. Asa tena milamina noho ny tany amin’ny 22 taona lasa tokoa ve izany ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny ? Nambaran’ny Praiminisitra fa betsaka ny mpizahatany, betsaka ny vola vahiny, mandeha ny fandraharahana,… Hatrany amin’ny tantsaha no nambarany fa misy vokany. Nolazain’ny Praiminisitra fa miroso ny sehatra ara-toekerana rehetra amin’izao fotoana izao. Raha 700 miliara Ar ny vola ampidirin’ny fizahantany amin’izao fotoana izao, ka raha miakatra 350 000 mpizahatany no miakatra 1 000 000 dia tena goavana ny sehatry ny fizahantany, ary i Madagasikara anisan’ny firenena 5 voalohany tsara ivahinianana. Tena nilamina ve ny tontolon’ny fizantany tao anatin’ny 7 taona ? Ho an’ny taona 2020-2021 fotsiny dia nahatratra 3900Ar ny fatiantoka, vola tsy niditra tamin’ny mpisehatra ara-pizahantany raha ny tatitra nataon’izy ireo ka tena nilamina ve izany ? Moa mba nisy ezaka sy tohana tena nahomby nataon’ny Fanjakana nandritra ny vanim-potoanan’ny krizy ? Raha tena mandeha ny fizahantany ka miditra ny vola vahiny, moa ho tafakatra 5000Ar mahery ve ny sandan’ny Ariary ?

FANDROSOANA SA FIHEMORANA ?
Milaza moa ny Praiminisitra fa anisan’ny Firenena milamina isika mitaha amin’ny Firenena rehetra noho ny ezaka nataon’ny Filoham-pirenena sy ny governemanta tao anatin’ny dimy na enina taona. Noho izany, nanitrakitrika ny tenany fa tsy avela hoviraviraina izany. Nambara fa tena miady amin’ny fahantrana ny Fanjakana, ary ny tanjona ao anatin’izany dia mihatsara ny fiharian’ny fianankaviana tsirairay. Mila ezaka mitohy fa tsy amin’ny fotoana manomboka miainga ny Firenentsika dia tadiavin’ny sasany hotapahana indray izany ainga vao izany, ka nilazany fa tena saro-piaro amin’ny ezaka efa vita sy mbola hatao ny Praiminisitra. Somary mahavalalanina ihany ny fomba firesaky ny mpitondra amin’ny fahasahiana milaza fa efa miainga ny Firenena, ary tena mahomby ny ady amin’ny fahantrana. Ny taona 2018 nialohan’ny nandraisan’ny Fanjakana Rajoelina fahefana, teo amin’ny 74% ny tahan’ny fahantrana, ary ankehitriny dia tafakatra 80,7% raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny taona 2023 ka asa nihemotra izany sa nandroso ? Io no miaina ambanin’ny 2,15 dolara na 9600 Ar isan’olona isan’andro eo, fa mbola mampivarahontsana aza ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena izay namoaka fa ny 75,2% amin’ny Malagasy no miaina ambanin’ny 4000Ar isan’olona isan’andro ? Vao ny sabotsy teo no nilaza ny Filoha lefitra mpanohitra ao amin’ny antenimierampirenena fa poakaty ny PGE, tsy misy vola, nahena ny tetibolam-panjakana 2024, ary vao mainka ho zava-doza ny ho avy satria nanao fanekena fa hampihena 320 miliara Ar isan-taona ny tetibolam-panjakana. Izany ve ilay vokatra tsy maintsy harovana resahin’ny Praiminisitra ? Sao mba lasa fandranitana mpanohitra sy vahoaka?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap