airtel

Politique

21-sept-2023

Mandrehitra afo ny PM Ntsay

“Aza manakorontana, efa didy tsy azo ivalozana io!”

Sample post image

Nanitrikitrika ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta sady mitatantana ny “gouvernement collégial”

21-sept-2023

mitondra ny firenena amin’izao, fa tsy misy krizy politika eto fa fanakorontanana no misy eo anatrehan’ny adihevitra sy fitakiana momba ny raharaham-pifidianana, indrindra fa ny hetsik’ireo kandida miisa 12. “Efa nivoaka ny lisitry ny kandida, midika fa tafiditra ao anatin’ny fifidianana fihodinana voalohany. Tsy tokony hiditra amin’ny fifampihantsiana lavareny. Tsy tokony hiditra sy hamboly fanakorontanana ny olona mieritreritra hitondra firenena. Miroso makany amin’ny zotram-pifidianana”, hoy Atoa Ntsay Christian. Nilaza fa efa mandeha ireo dingana samihafa, tahaka ny tohana nataon’ny Vondrona Iraisam-pirenena. “Tsy misy krizy politika izany eto, fa fanakorontanana no misy, ny vahoaka dia mila fifidianana ahafahan’ny vahoaka mifidy amin’ny 09 novambra”, hoy izy. Adihevitra ny didin’ny HCC momba ny fandraisan’ny governemanta ny fitantanana ny firenena ka nanitrikitrihany hatrany fa ara-dalàna, ary tsy tokony hisy fahabangana mihitsy taorian’ny fametraham-pialan’ny Filoha teo aloha sy ny tsy nandraisan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona azy. “Tsy any anatin’izay adihevitra izay intsony, fa efa didy tsy azo ivalozana no nivoaka. Ny zava-nisy, rehefa kandida tsy maintsy nametra-pialana, ka tsy maintsy nanapa-kevitra nanamarina ny fialana, tsy maintsy teo noho eo dia nanapa-kevitra amin’ny hampitana ny fahefam-panjakana fa tsy tokony hisy fahabangana”, hoy Atoa Ntsay Christian, toa mandrehitra afo eo anatrehan’ny fanakianana samihafa. Hatramin’ny governemanta entina olom-boatendry aza anefa amin’izao dia efa manamafy ny tsy fahamarinan-toerana. Tena nandeha tamin’ny nahim-pony tokoa ve Atoa Herimanana Razafimahefa, izay nilaza ny 17 may 2023 fa tena vonona tanteraka. Naneho tamin’izany fa 5 taona ny taom-piasany, ary ny resaka fantatro, ao anatin’ny lalàmpanorenana, raha kandida ny Filoham-pirenena dia ny tenako no misolo azy, hoy izy. Ny 14 jolay ihany koa dia naneho ny tenany, fa izay no voalazan’ny lalàmpanorenana, ka nilazany fa tsy afenina fa efa mifantoka amin’izany. Raharaham-pirenena no jerena, ilaina ny filaminana, ka mila hajaina tahaka ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana, hoy izy tamin’izany, ka naneho fa nodinihina tamin’ny fanomanan-tena ny fiafandraisana amin’ny vahoaka, Vondrona Iraisam-pirenena, fiangonana, mpanohitra satria ilaina foana ny fifampiresahana,… Inona marina no niseho tamin’ny lapam-panjakana iray tamin’ny fotoana tokony handraisany ny fahefana? Nanome toky fa hametraka lamina ahafahan’ny vahoaka mifidy moa ny governemanta, ary toa mbola nanakiana mafy ireo kandida tsy mitovy fijery aminy. “Hafatra ho an’ireo 13 nirotsaka, izay misy manohitra ny HCC, ka tsy tokony hanaiky ny fanapahan-kevitry ny HCC ny firotsahany. Anjaran’izy ireo ny mampanjary ny fifidianana, ka miantso azy ireo mba tena hiroso tokoa. Maro amin’izy ireo no efa any amin’ny sehatra sy tanàna rehetra any efa manao propagandy. Anjaran’ny sasany mety hadalaina ao anatin’ilay izy no mandinika”, hoy Atoa Ntsay Christian.
TSY MARIN-TOERANA NY RAHARAHAM-PIRENENA
Mbola mandeha ny adihevitra samihafa, misamboaravoara ny toe-draharaha, ka samy miandry izay ho tohiny, fa raha ny fanehoan-kevitry ny mpandinika politika iray omaly, dia efa nofefen’ny HCC ny dingana rehetra araka ny lalàna ka mety ho tonga amin’ny fipoahana eny an-dalambe, ary tena zon’ireo depiote no mitarika izany, hoy ny fanehoan-kevitra. “Efa voafefy ny làlana rehetra araka ny lalàna, dia mety hidina an-dalambe no hiafaran’io. Zon’ireo depiote izany, ary afaka milahatra makeny an-dalambe izy. Ohatran’ilay fitondrana indray no manaitra ny olona hitroatra. Ny Prefe izao dia mandray fanapahan-kevitra tsy voahevitra tahaka ireny”, hoy Atoa Ralison Roger isan’ny andrarezin’ny politika tao amin’ny fahitalavitra iray omaly. Izay miteny, dia lazaina hanongam-panjakana, efa tsy misy Fanjakana eto, rafitra napetraka fotsiny io. Io nataon’ny solombavambahoaka io zava-dehibe, ka mandrisika azy ireo, hoy izy, izay naneho fa feno ireo singa mety hahatongavana amin’izany, raha ny traikefany sy ny efa hit any 1991, 2002,…
Toky R



 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny

Card image cap
26-déc-2024

Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».

Card image cap
26-déc-2024

Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,

Card image cap
26-déc-2024

Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra

Card image cap
24-déc-2024

Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",

Card image cap
24-déc-2024

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

Card image cap