Dinik’asa natao teny amin’ny Primatiora, ka isan’ny nitarika izany ny Minisitry ny Atitany, Ramatoa Rahajavololoniaina Niritsoa Harinandrasana. Nisy ireo tatitra nataon’ireto Lehiben'ny Fileovana ireto, ka nanomezan’ny Praiministra toromarika maro samihafa hampajariana hatrany ny asam-panjakana any amin’ny Faritra rehetra maneran’ny Nosy. Teboka telo lehibe no nifanakalozana raha ny voalazan’ny seraseran’ny Primatiora, ka voalohany tamin'izany ireo fanamby arak’asa miandry mandritra ity taona 2025 ity, mba hihatsara sy hitoetra hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana manerana ny Nosy. Ny faharoa, dia ny fandrindrana bebe kokoa ny asam-panjakana mba hisian’ny tontolom-pampandrosoana miabo, hanamora ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, izay tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ary ny fahatelo, dia ny fametrahana ny fahamarinan-toerana isam-paritra, ka mba ho tena Taonan’ny Asa sy Filaminana tokoa ity 2025 ity, hoy hatrany ny seraseram-panjakana. Isan’ny tena teboka miverimberina ao anatin’io ny resaka filaminana sy ny fandriampahalemana, ny filazana fa ho taonan’ny asa ny 2025,… izay voaresaka tamin’ny kabary politika nisesisy tato ho ato. Karazana toromarika ho an’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana hanao izay hampitony ny toe-draharaha samihafa any amin’ny faritra misy azy mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana. Nialohan’izao, novoriana teto Antananarivo teny Mamory Ivato ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teo anivon’ny Polisim-pirenena, ka nanentana sy nanome toromarika ny Polisim-pirenena hanatevina hatrany ny firahalahiana sy ny firaisankina eo anivon'ny hery fiarovana sy filaminana, sy amin'ny fanatontosàna ny adidy sy andraikiktra eo anivon'ny minisiteran'ny filaminam-bahoaka ny Praiministra Christian Ntsay, ka navoitra ny hoe : manana andraikitra hiaro ny safidy sy ny hevi-bahoaka tamin'ny alalan'ireny fifidianana maro isan'ambaratongany ireny ny rehetra. Tsapa tato ho ato ny famoriana sy fanetsehana na fampitenenana ireo tompon’andraikitra samihafa : ara-tafika, ara-miaramila, ny etamazaoro politikan’ny mpitondra, ny avy amin’ny lafin-tany,… Vao tsy ela no niteny ny avy eo anivon’ny Foloalindahy, ny Prefen’Antananarivo, ireo parlemanta,… Nomena toromarika hifehy ny Faritra iadidiany ireo governora, nanaovana izany ny mpitandro filaminana, dia io fa mitohy amin’ny Prefe sy Lehiben’ny distrika io. Ireny naseho tany Toamasina tamin’ny fihetsika natao tamin’i Roland Ratsiraka ireny ny fampihorohoroana ara-tsaina ny mpanohitra. Toa zary endrika manaporofo fa mahatsapa ho tratry ny ambana ara-politika ny fitondrana, tsy matoky tena,… ka manamafy ny fiarovan-tena, homena toromarika ny rafitra ara-panjakana rehetra hifehy ny toe-draharaha. Izany ve no vahaolana sa ny famahana ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena samihafa ?
Toky R
Ny Malagasy ve no efa lasa zatra miaina miaina fahantrana, tsy fanjariana, kolikly, fitiavan-tena,…
Tsy hanaiky hatramin’ny farany isika!», fomba firesaky ny mpanohitra rehefa mandeha ny hosoka
Toy ny tamin’ny sabotsy 18 janoary teo, natao andrimaso indray ny depiote sady kandida
Haverina ny fifidianana any Andohanilakaka araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny
Efa fantatra fa tsy omen’ny fitondràna ny fanoherana mihitsy ny maro an’isa tamin’ny fifidianana