airtel

Politique

13-oct-2023

Manenjana ny Firaisankinan’ny kandida

“Tsy mampihemotra anay ny fihantsiana, tsy manaiky vazaha hitondra firenena”

Sample post image

Ampasika, Andohatapenaka, 67Ha, Antohomadinika, indray no nizoran’ny diaben’ny Filaminana notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida omaly.

13-oct-2023

Vahoaka sesehena hatrany no namaly ny antso miray feo ao anatin’izany, ary niseho nivantana indray ny endrika sakantsakana sy fanakorontanana, saingy tsy nahatohitra ny diabe am-pilaminana. Nisy mantsy ireo andiana mpihorakoraka niainga teny Andohaatapenaka voalaza fa voakarama mba hanohitra ity diabe am-pilaminana ity, niditra tao anaty vahoaka mihitsy tetsy Antohomadinika, saingy tsy nahomby ny fandranitana sy fambolena ady, na dia namaly am-bava azy iteny ihany aza ny vahoaka ao anatin’ny tolona. Nanamafy hatrany ny fitakiana kosa ireo kandida, ka narantiranty tany amin’ny lohan’ny diabe ny hoe: “Tsy ekena ny didy jadona sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana, mila fifidianana madio, ravao ny HCC, ravao ny CENI”. “Aza taitra amin’ireo, efa fantatsika hatry ny ela fa tsy maty voalavo an-kibo ary tsy mahafoy ny toerana misy azy ka noho izany dia isika no manao azy”, hoy I Marc Ravalomanana. Aza manaiky ho resy tsy miady izany fa tsy ho resin’ireo mandrakizay isika. Tanjona, dia mazava fa tsy manaiky an’izao, tsy manaiky vazaha hitondra firenena, tsy manaiky izany isika. Mahafantatra tsara ny tokony hatao isika, ka tsy anjarantsika ny manakorontana, ka raha manana fahendrena ireo dia mahalala ny tokony hataony, tsy resin’ny fandranitana, ary tsy ampahafirin’ny nahazo antsika tamin’ny sabotsy izao, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Naneho tao anatin’ny horakoraka kosa moa ny vahoaka, fa tsy voavidy vola. Nanamafy kosa I Hajo Andrianainarivelo, fa ady ho an’ny vahoaka, ady hisian’ny Fanjakana tan-dalàna ho an’ny firenena ka tsy ny lehibe ihany no harovana fa ny vahoaka manontolo. Ataontsika am-pilaminana satria avoavo kokoa ny “niveau” antsika fa tsy tahaka ny sasany, hoy izy, izay naneho fa misy tsy mahatanty filaminana ka mitady hanakorontana. Tohizantsika foana ny tolona, ary efa mihetsika daholo ny any amin’ny Faritany ary asehontsika maneran-tany fa milamina ny vahoaka, ary hotohizana hatrany, tsy hijanona raha tsy tratra ny tanjona, hoy hatrany ny kandida Hajo Andrianainarivelo. Ity farany izay naneho omaly eo anatrehan’ny fihetsika politika asehon’ny fitondrana toy ny setrasetra sy teti-dratsy politika samihafa hoe: "Nasehon’ity fitondrana ity indray androany ny tena toetrany. Ary tsy nisalasala mihitsy. Matahotra mafy fifidianana madio mihitsy ireto olona ireto. Fantany tsara fa hotrongisin’ny Malagasy teo izy raha vao fifidianana tsy azony hangalaram-bato. Rera-maina eo ireo, isika hanohy hiady fa izao no fotoana hanadiovana ny fifidianana eto Madagasikara mba ho tena fifandimbiasam-pahefana sy fifidianana madio tanteraka amin’izay. Tsy mahita fiainana lanja miakatra afa-tsy amin’ny "stabilité politique" isika", hoy i Hajo Andrianainarivelo. Hitam-poko hitam-pirenena, fa mitombo isa isan’andro isan’andro, ka na misy aza ny fihantsiana dia asehontsika fa vahoaka Hendry. Matoa mijoro dia fantatray ny olan’ny firenena, olan’ny vahoaka, ka vobona. Misy ny fampitahorana fa rehefa sahy mijoro dia mandresy foana, aza mety ho resin’ny fampitahorana, aza mety ho resin’ny fihantsiana, hoy kosa ny kandida Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny

Card image cap
26-déc-2024

Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».

Card image cap
26-déc-2024

Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,

Card image cap
26-déc-2024

Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra

Card image cap
24-déc-2024

Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",

Card image cap
24-déc-2024

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

Card image cap