airtel

Politique

20-sept-2023

Mangotraka ny toe-draharaha

Miditra ny iraisam-pirenena, mitaky fifidianana madio sy malalaka

Sample post image

Miditra an-tsehatra manoloana ny toe-draharaha politika sy fifidianana eto ny Sehatra iraisam-pirenena. Manara-maso akaiky,

20-sept-2023

nihaona sy nitafa tamin’ny herivelona samihafa, ary mbola manohy izany. Nipoitra ny fanambarana diplaomatika saingy midika zavatra maro nataon’izy ireo omaly, nahitana ny Vondrona Eoropeana, ny solontenan’ny OIF eto amin’ny ranomasimbe Indiana, ny masoivohon’I Allemagne, ny masoivohon’I Etats Unis, ny masoivohon’I France, ny masoivohon’I Japon, ny masoivohon’ny Royaume Uni ary ny masoivohon’I Suisse. «Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe- draharaha mifandray amin’ny fanomanana ny fifidianana ireo mpiara- miombon’antoka iraisam- pirenena eto Madagasikara. Manamafy ny maha zava-dehibe ny fanajana ny lalàmpanorenena sy ny tetiandrom-pifidianana izy ireo ary manipika hatrany ny fanohanany ny zotra- pifidianana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, izany hoe mangaraharaha, azo antoka, mampiaty ary milamina. Tena izay ve aloha ny sary misy ankehitriny sa sady manaitra ihany izy ireo? Nanipika izy ireo fa singa manan-danja mitondra amin’ny faneken’ny rehetra ny voka- pifidianana sy miantoka ny fitoniana eto Madagasikara ny fahatokisana an’izany dingana izany. Mampatsiahy ny fanajan’izy ireo ny fahalalahana fototra izy ireo, anisan’izany ny zo hivory sy hanao fihetsiketsehana am- pilaminana, ary koa ny lanja mitovy omen’ny fitondram- panjakana sy ny haino aman- jery an’ireo kandidà rehetra, mifanaraka amin’ny foto- kevitra demokratika izay efa neken’i Madagasikara.Azo heverina ho karazana tsindro-paingotra ho an’ny Fitondrana ankehitriny manoloana ny mizana tsindrian’ila miseho amin’ny endrika maro io. Manamafy ny fandrisihana hanohizana ny fifanakalozan-kevitra mirindra miaraka amin’ireo mpandray anjara rehetra ireo mpiara-miombona antoka. Hatreto aloha, tsy rototra ny amin’izany ny fitondrana ary mandeha hatramin’ny fanasoketana ny FFKM ho mpanakorontana.

HANAO AHOANA?
Rava avokoa hatreto ireo fampihaonana ataon’ireo rafitra mitsara sy mikarakara fifidianana satria nitsefotra ilay an’ny HCC tamin’ny 15 septambra, nofoanana ihany koa ilay an’ny CENI amin’ny 22 septambra, ny HCC nanao fanazavana lava be momba ireo fanapahan-kevitra mikasika an-dRajoelina sy ny fanomezam-pitantanana ny governemanta. Mandeha kosa ny fihaonana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ataon’ireo kandida sy firaisamonim-pirenena, izay misy iraisan’ireo kandida, misy mandeha irery, misy masoivoho maro, misy mandeha tsirairay,… Iny nipoitra iny ny fanambarana nataon’ny Vondrona Iraisam-pirenena nahitana firenena maro. Heverina ho fanambarana diplaomatika, saingy mifono zavatra goavana, ary raha hiverenana ny tany aloha, dia nisy ny toromarika nataon’ny sehatra iraisam-pirenena niainga tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana 2018. Betsaka no toa tsy tanteraka, ary io miverina io ny adihevitra sy ny ahiahy momba ny zotra sy ny fitsipi-dalao ara-pifidianana, ny tokony hanamboarana ireo rafitra, ny lalàm-pifidianana… kanefa ny fotoana miha atomotra. Mety ho tonga any amin’ny fampiatoan’ny iraisam-pirenena ny tantsoroka sy fanohanana mivantana na ankolaka ataony? Ankilany, ny mikasika ny Filoha teo aloha izay lasa niampita ranomasina 5 andro monja taorian’ny nialany, dia mety hisy ny fitoriana iraisam-pirenena hanjo azy raha ny tsoriakam-baovao. Miditra an-tsehatra hatramin’ny Vondron’ny Malagasy mpila ravinahitra manohitra ny jadona. Efa tonga hatrany amin’ny Repoblika Frantsay ny fangatahana fandraisana andraikitra mikasika an’I Andry Rajoelina satria mety hiteraka fanasoketana an’ity firenena ity ho mandefa ny olony hanakorontana fiandrianam-pirenen’i Madagasikara. Ankoatra izay, misy ritsoka hafahafa momba ny voalaza fa zava-nitranga tany amin’ny lapa iray ka tsy nandraisan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny fahefana. Tahaka izany ihany koa ny feo miainga fa hendratrendratra ny anaty lakazerina any. Ny Prefen’Antananarivo namoaka “requisition” manetsika sy mampihantrana ny Emmo-reg anatin’ny ny fotoana tsy voafera nanomboka ny alatsinainy 18 septambra teo. Samy miandry izay hiseho fa ny hita aloha dia mafampana tanteraka ny toe-draharaha!
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Ankoatra ilay fihaonana nikaton-trano tamin’ny Minisitry ny fitantanam-bola izay tsy nisy akony,

Card image cap
18-oct-2024

Tsy nisy nipika ny fihaonana mikaton-trano teo amin’ireo depiote sy ny Minisitry ny fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo omaly.

Card image cap
17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap