airtel

Politique

07-août-2024

Marc Ravalomanana

«Mialà ny Filoha na ny PM rehefa tsy mahavita ny andraikiny »

Sample post image

Eo anatrehan’ny hirosoan’ny Praiminisitra ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na ny

07-août-2024

PGE ka namoahan’ny Fanjakana didim-panjakana miantso ny antenimiera hivory ara-potoana ny 9 aogositra sy ny 12 aogositra, namoaka fanambarana miresaka teboka maromaro ny mpanohitra tamin’ny alalan’i Marc Ravalomanana. Nampahatsiahy io Filohan’ny fanoherana io fa ny Filohan’ny Repoblika no mamaritra sy manapaka eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta ny PGE, araka ny andininy faha-55 amin’ny lalàmpanorenana. Atolotra 30 andro aorian’ny fanendrena ny Praiminisitra io raha ny voalazan’ny andininy faha-99 amin’ny lalàmpanorenana. Araka ireo, dia eo anivon’ny filankevitry ny governemanta no hamaritana sy hanapahan’ny Praiminisitra ny fandaharan’asa hanatanterahana ny PGE izay hatolony ny parlemanta, ka Praiminisitra sy Minisitra voatendry ara-dalàna sy manana fahefana feno no afaka manao ny antsoina hoe : « Filankevitry ny governemanta ». Nahitsy noho izany i Marc Ravalomanana tao anatin’ny taratasy nataony nilaza fa efa nametra-pialana ny governemanta ary neken’ny Filoham-pirenena tamin’ny 10 jolay izany, ary tsy mbola nisy voatendry afatsy ny Praiminisitra. Vokany, tsy manana fahefana feno afatsy fampandehanan-draharaha andavanandro na « expédition des affaires courantes » ireo minisitra. Ampangain’ny fanoherana ho mandika lalàmpanorenana noho izany programan’asa ho fanatanterahana ny PGE raha tsy tapahana eo anivon’ny filankevitry ny governemanta notendrena ara-dalàna, ka tokony ho voatendry alohan’ny 9 aogositra ny governemanta hanapaka izany fandaharan’asa izany. Nanamafy ny efa nambarany ny sabotsy teo i Marc Ravalomanana, ka nilaza fa efa fanaovana tsinontsinona ny Malagasy sy famotehana ny Firenena ny tsy fametrahana governemanta feno sy ara-dalàna efa ho 7 volana izao. Mbola mitohy indray aty amin’ny fandaharan’asa hanatanterahana ny PGE. Voafaritry ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana fa andraikitry ny Filoha no manendry ireo mpikamban’ny governemanta amin’ny alalan’ny fanolorana ataon’ny Praiminisitra ka tsy nahavita nanolotra hotendrena ve ny Praiminisitra sa ny Filoha non tsy mety manendry ? Tsy nitsitry i Marc Ravalomanana naneho tao anatin’ny fanambarany, fa tokony hametra-pialana rehefa tsy mahavita ny andraikiny na ny Filoha na ny Praiminisitra.
Toky R

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap