airtel

Politique

08-juil-2024

Marc Ravalomanana

« Mitohy ny fanoherana ny mpitondra mampahantra firenena »

Sample post image

Nomarihina ny sabotsy 06 jolay 2024 teo teny amin’ny Magro Tanjombato ny faha-22 taonan’ny

08-juil-2024

Antoko TIM naorin’i Marc Ravalomanana. Fotoana ihany koa nandraisana ofisialy ireo depiote 16 avy amin’ny TIM, lany tamin’ny anaran’ny Firaisankina. Naneho ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa teo foana ny TIM na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra, ary nandray anjara hatrany tamin’ny raharaham-pirenena, ary nanana olom-boafidy hatrany na depiote, na ben’ny tanàna, na mpanolontsaina monisipaly. Nanana depiote 16 nisolo tena faritany 2 teo aloha ary izao 16 ihany, fa misolo tena faritany 3. Nanamafy ny TIM fa fifidianana maloto no nisy farany teo, saingy hanohy ny tolona amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izy ireo. Sokajiana ho fifidianana maloto sy be hosoka indrindra nataon’ny mpitondra ny fifidianana depiote farany teo. Ny kandidam-panjakana izay minisitra teo aloha no nivaky bantsilana, fa niresaka tamin’ny filoham-pirenena nialohan’ny didy navoakan’ny HCC, ka ny valim-pifidianana izany, dia fantatry ny mpitondra nialohan’ny fotoana. Midika fa tsy nitsara araka ny fahamarinana sy ny safidim-bahoaka ny HCC, fa tsy nitsara araka ny lalàna, hoy i Marc Ravalomanana. Nahitsy ny Filoha teo aloha nilaza fa tsy misy fisaharaham-pahefana eto hoe : ity ny mpanao lalàna, ireto ny mpanatanteraka, ary ireto ny mpitsara. Mitohy ny tolona, ary hamafisina ny fanoherana izao fitondrana izao, ka handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka ny TIM, hoy ny toromarik’i ny Filoha mpanorina azy Marc Ravalomanana. Ny tenany izay naneho, fa mahantra sy miha mahantra ny vahoaka. Latsaka an-katerena ny firenena, miha mahantra ny vahoaka, tsy manana asa, mitombo ny famonoana olona, mitombo ny kolikoly ataon’ireo, miharatsy ny fanabeazana, miharatsy ny fiaian’ny Malagasy,… Nanipika anefa ity farany, fa tokony hiainga any ifotony sy avy amin’ireo solombavambahoaka ny kandida hatolotry ny antoko, fa tsy ireo tonga manatona azy mivantana. Andaniny, nianiana tamin’ny vahoaka Malagasy fa vonona hijoro sy hiady ho an’ny vahoaka Malagasy ireo depiote 16. Ho sahy hijoro eo anivon’ny Antenimierampirenena, tsy handraraka ilo mby an-doha fa hijoro ho an’ny vahoaka. Fifidianana faran’izay ratsy, faran’izay feno halatra, faran’izay maloto ny fifidianana farany teo, ka mafy matoa tafavoaka tao anatin’izany, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap