airtel

Politique

19-juin-2023

Politique

Marc Ravalomanana « Tompon’andraikitra amin’io zava-misy io ny HCC teo aloha »

Sample post image

Hay ve ny mitondra an’ity Malagasy ity ka tsy Malagasy. Tsy fanao ny manafina ny marina, ary manana andraikitra lehibe amin’izany ilay nilaza hoe:

19-juin-2023

azo raisina fa tsy mitombina”, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady namelively an’I Andry Rajoelina no namantsimpatsika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) notarihin’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Nilaza noho izany io Filoha teo aloha io, fa tompon’andraikitra amin’izany ny HCC teo aloha. Naneho fa tokony ho menatra amin’izao zava-misy izao ireo, izay hentitra tamin’ny ambara fa fanarahana ny pitsopitsony momba ny dosie ahafahana miatrika ny fifidianana, kanefa izao no zava-misy ankehitriny. Raha izaho ianao menatra, tsy mba nanadihady ve izy. Izaho nihaona tamin’iny rangahy iny nilaza tamiko hoe: ataovy mazava ny dosienao. Efa tamin’ny 2014 ilay olona manana zom-pirenena Frantsay, maninona raha nampahafantarina,… Tsy mahalala ny fomba Malagasy, tsy mahalala ny soatoavina, tsy hainy izany, niezaka ihany fa tsy tafavoaka”, hoy I Marc Ravalomanana. Noraisiny ho tombony ara-politika ho azy ny zava-misy mikasika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, izay mpifanandrina taminy niainga tany amin’ny 2007. Izaho dia zanaka Malagasy Ray sy Reny, mahalala ny manjo ny Malagasy, niainga tany amin’ny fiainan’ny Malagasy 90%, fa tsy tara ihany koa amin’ny teknolojia, isan’ny vato nasondrotry ny tany, mahalala ny ambanivohitra, mahay ny an-drenivohitra, mahavita miaraka amin’izao tontolo izao. Tena manana ny zom-pirenena, mahalala ny nihaviako, ny toerana niasako ianareo, ary anisany teto Antsirabe”, hoy I Marc Ravalomanana. Taorian’io resabe mikasika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina izay vazaha an-taratasy io moa dia nisy ireo heverina fa ho kandida Filoham-pirenena sasantsasany nilaza fa tsy mizaka sy tsy nangataka zom-pirenena vahiny toa an-dry Andry Raobelina, Siteny Randrianasoloniaiko izay naneho fa ny vadiny izay teratany vahiny aza no nangataka ho Malagasy saingy mihitsoka any amin’ny Atitany,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap