airtel

Politique

12-avril-2024

Mba haha lisitra IRMAR tokana ny kandida ao Sambava…

Notazonina tany anaty hotely ny mpitondra ny dosien’ny Depiote Ange Richard

Sample post image

Lasibatry ny teti-dratsy politika maloto mba tsy hisian’ny kandida afatsy kandidam-panjakana tao Sambava

12-avril-2024

ny depiote Ange Richard Ramilison, raha resaka nifanaovana taminy. Efa nanomana ny firotsahany tamin’ny anaran’ny Fikambanana Zanak’Ambanivolo SAVA izy izay nahazo “mandat”, ary efa depiote lany tamin’ny isam-bato 63% raha toa ka 12% ny nanaraka azy, raha ny fanazavany. Nisy ny fifampiresahana fa izy sy ny depiote Mamangy Norbert na Jack no hiray lisitra, ka nilazana taminy raha ny nambarany fa tsy marina ny hoe ho kandidan’ny IRD, fa tohizana ny dosie iarahana. Sady nanomana ny firotsahany manokana noho izany ny depiote Ange Richard Ramilison na teo aza ilay hoe fiarahana, raha ny fanazavany. “Tamin’ny alarobia alina anefa niantso ahy ny depiote Jack mba hanomana ny dosie fa efa atomotra ny fotoana. Efa nisy vita ny ahy manokana”, hoy izy. Tsy tonga anefa ny ankilany, ka nividy coca ho an’ireo mpiara-mikarakara dosie Atoa Ange Richard dia nandeha aloha, ary tonga avy eo ny ankilany. Ny alahady maraina, dia tonga ny ankilany raha ny nambaran’ny depiote Ange Richard, ary ny “suppléant”-n’Atoa Ange Richard amin’ny firotsahana tsy miaraka amin’iry voalohany dia nolazaina hoe: hoento ny dosie dia midira ato anaty fiara, hisakafo isika,... Lasa ary nasaina nikaomandy sakafo. Nasaina namono finday. Noraisina natao am-paosy ny findainy. Nasaina nomena ny lakilen’ny trano misy dosie,… araka ny fitantaran’ireo olony tamin’ny Depiote Ange Richard, raha ny fanazavany. Rehefa tamin’ny 9ora sy sasany indray dia niantso ny laharan’ny vadin’I Mr Rémi (assistant an’I Depiote Ange Richard) ny andaniny, nasaina nakany an-tranon’ilay depiote iray io ny ampitson’io amin’ny 7ora maraina. An-dàlana ho any Sambava, nifanena tamin’ireo olona roa izay nalaina ny finday. Niara-nentina sy nilazana ireo hoe aiza no hametrahana anareo, saingy natahotra ireo noho ny toerana tsy azo antoka,... Nentina tao amin’ny Hotely lehibe tao Sambava. Nomena toromarika ny “receptionniste” hoe omeo efitrano, ary nampitandremana tsy hamela ireo olona ireo hivoaboaka. Tsy niverina raha tsy tamin’ny 3 tolakandro ny mpitondra. Nidina ny varavarana, ny olona iray tamin’ny efitra ilany nentina, raha ny fanazavana. Tamin’ny 6 ora hariva vao nomena ny finday sy ny fanalahidy kanefa ny- fanaterana dosie tamin’ny 5 ora hariva no tapitra. Ny dosie tany amin’ny “assistant parlementaire”, saingy tsy hita tao amin’ny Birao sy tany an-tranony, ary tsy azo tamin’ny finday. Tany avokoa ny taratasy momba ny zom-pirenena, casier judiciaire, ny fandoavan-ketra na 211Bis, fanambaram-panana tany amin’ny Bianco. Nanda kosa ny tao amin’ny CENI, fa tsy azo atao intsony ny mampiditra na dia niezaka aza ny andaniny, fa tokony ho mbola azo havotana ao anatin’ny 72ora. “Mangina tsy fidiny aho, tsy dia tiko ny mitoritory, izaho mpanara-dalàna”, hoy ny depiote Ange Richard Ramilison. Lisitra tokana izany ny ao Sambava, tsy fifidianana no atao, tsy misy safidy afatsy ny IRMAR raha ny fizotry ny tantara satria nisy olana ihany koa ny dosien’ny kandidan’ny Firaisankiana Atoa Loïc Chan, ka asa na ho voatazona na tsia? Ho lany poa-droa izany Atoa Mamangy Norbert na Jack sy ny Minisitra Tokely Justin raha ny sary miseho hatreto, ary ity farany izay efa tratry ny tsikera hatrany am-boalohany ho nanao propagandy mialohan’ny fotoana. Lasa resabe ao Sambava moa io raharaha io ka asa izay ho tohiny? Asa izay ho setriny sy fanazavan’ny andaniny fa efa tanteraka aloha izany ilay tsy misy afatsy kandidam-panjakana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap