airtel

Politique

04-avril-2023

Politique

Mbola misaina ihany ve e ? Adilahy politika no nanapahana ny RN2

Sample post image

Raikitra ny fanaovana saka sy voalavo teo amin’ny mpitandro filaminana iraky ny Fanjakana sy ny Filoha teo aloha sy ireo mpiara-dia aminy omaly tany amin’ny RN2.

04-avril-2023

Voasakana tany Sambaina indray I Marc Ravalomanana omaly, raha handeha hihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tao Sambaina sy Manjakandriana. Raikitra ny fifanazavana sy ny fifamaliana teo amin’ireo depiote TIM sy ny mpitandro filaminana, ka nilaza aza iretsy voalohany, fa ny lalàmpanorenana no manome fahafahana ny olom-pirenena iray handeha amin’izay toerana tiany haleha. Tsy nanaiky lembenenana kosa ny andaniny, fa nandrara sy tsy namela ny fiara nitondra ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Vokany, voabahana teo ny arabe, tsy afa-nandeha ny fiara rehetra nandritra ny fotoana naharitra, nitohana izay tsy izy ny fiara tamin’iny Ambohimahandry iny. Fahatahorana sy hetraketraka amin’ingahy Marc Ravalomanana no nanaovana sorona ny mpampiasa ny RN2 omaly. Ity farany izay nisafidy ny handeha an-tongotra rehefa nobahanana, fa ny rehetra niara-lasibatra teo, ary maro ihany koa ny olona nisafidy handeha an-tongotra,... Tsy nisy fieritreretana mihitsy ny vahoaka mpampiasa làlana kanefa mba olona manana ny asa sy andraikitra sahaniny ireo vahoaka nampijalinareo noho ny antony ara-politika mety tsy misy hidirany ireo. Ara-politika, ny fanakanana an-dRavalomanana amin’izay alehany ve no hampitombo ny fitiavan’ny olona ny Fitondrana Rajoelina sa vao mainka ho poizina? Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin fa voarara avokoa manomboka izao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana sy an-dalambe na ho an’ny antoko mpanohitra na mpanohana fitondrana. Notsipihina fa malalaka amin’ny fanaovana izany kosa ny olom-panjakana. Io fanapahan-kevitra io izay niteraka fanamelohana avy amin’ny antoko samihafa, ary sokajiana ho efa tetikady ara-politika sy ara-pifidianana sy hanembatsembanana ny hafa sy hanomezana tombondahiny ny fitondrana. Lazaina fa voarara ny famoriam-bahoaka an-dalambe kanefa olona eny amin’ny làlam-pirenena no nosakanana dia lasa niteraka diabe an-dalambe, niteraka fanembatsembanana ny daholobe mpampiasa làlam-pirenena,… Tena izao ve sisa no fomba fiasa sy fiady hoenti-mitondra ny raharaham-pirenena sy ny politika? Sao dia mba efa tena diso iva lenta sy mirefarefa amin’ny tany? Mbola zavatra am-pisainana ihany ve sa dia efa toton’ondry bory e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap