airtel

Politique

24-sept-2024

Mbola tsy nisy fifidianana tahaka ity

Malaina ny mpirotsaka, manamafy ny ahiahy

Sample post image

manerana ny Nosy, raha ny antontan’isa hatramin’ny omaly. Nisy lisitra kandida 1846 izany

24-sept-2024

tonga nandrotsaka antontan-taratasy izany tao anatin’ny 5 andro satria raha ny tatitry ny CENI ny 18 septambra dia zara raha 267 ny antontan-taratasy voaray tamin’io fotoana io, zara raha nisy kaominina 228 ary distrika 56 amin’ny 120 manerana ny Nosy tamin’io fotoana iray andro nialohan’ny fahataperan’ny fe-potoana io, ary nandraisana ilay fanapahana ny hanalavana fotoana avy eo. Na izany aza, mbola zara mbola 1,2 isaky ny kaominina ny salan’isan’ny kandida amin’io 2113 io. Hikatona tanteraka ao anatin’ny 48 ora ny fahafahana mandray ny antontan-taratasy izay hifarana ny alakamisy 26 septambra ho avy izao. Tsy dia fahita firy tamin’ireo fifidianana nisy hatramin’izay izany zara raha nisy kandida izany, izay porofo manamafy ny fahasarotana marolafy, ny kajikajy politika,… Efa nosahiranina ireo kandida maro avy amin’ny fanoherana na ny tsy miankina vao nisy ny fanalefahana iray dia ny tsy fitakiana intsony ilay taratasy fanamarinana ny zom-pirenena, izay ny karapanondrom-pirenena ihany dia lasa nahasolo azy. Ny zavatra hita tamin’ny ankampobeny, tsy rototra ny kandidam-panjakana, ary efa 2 na 3 andro nialohan’ny fahaperan’ilay fe-potoana voalohany vao nahazo ny « mandat » hahafahana mitondra ny lokon’ny antoko, izay toa manamafy ny ahiahy fa efa nampahafantarina nialoha ny hihemoran’ny fe-potoana fa ny hafa no nosahiranina. Isan’ny nanahirana ihany koa ny fahazoana ny taratasin-ketra 211 Bis, izay betsaka ihany koa ny kandida nosahiranina tamin’io, nisy hatramin’ny hoe : efa feno ny porofo sy pitsopitsony tamin’ny fandoavan-ketra, saingy tsy nomena ilay 211 Bis fa hoe : mbola miandry toromarika. Atao izay fomba rehetra hanintsanana kandida, toy ny fahasahiranana ara-bola satria na ireo resaka hetra io aza dia tena niovaova be, ka toa izay hitsin’ny vavan’ireo tompon’andraikitra aza. Ny antoka ara-bola 1,2 hatramin’ny 20 tapitrisa Ar, ny hetra raha kajikajiana ho 150 000Ar isan-taona, dia 450 000Ar izany ao anatin’ilay 3 taona farany, ka raha kaominina manana mpanolontsaina 10 efa 4 500 000Ar miampy ilay anto-bola dia mety ho tafakatra 10 tapitrisa Ar. Mbola eo ihany koa ny vola laniana amin’ny propagandy sy ny pitsopitsony maro. Mbola betsaka ihany koa anefa ny mety ahiahy eo anatrehan’ny olana fototry ny fifidianana eto amintsika dia ny tsy fisian’ny fifampatokisana ara-pifidianana sy ny mety ho setrasetra politika amin’ny fampiasana ireo rafitra ara-panjakana samihafa hanomezana tombondahiny ho an’ny kandidam-panjakana. Hasarotina ny fifidianana mba hampanjakana loko tokana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap