airtel

Politique

19-sept-2023

Mbola tsy tonga saina ihany ve ny CENI ?

Tsy nisy kandida tonga tamin'ilay fampiantsoana

Sample post image

Tsy nisy kandida tonga na iray aza omaly nandritry ny fampanantsoin’ny CENI ireo kandida ho filoham-pirenena hifampidinihana ny zotra-pifidianana amin’izao fotoana izao.

19-sept-2023

Nahanjahanjan’ireo kandida teo ity Vaomiera tsy mety maharesy lahatra ny maro nandritry ny fifidianana nisy teto amin’ny firenena ho mahaleontena amin’ny resaka fikarakarana fifidianana ity omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Alarobia. Kandida miisa 2, izay efa nampoizina ihany no nahatonga solontena hihaona tamin’ity vaomiera ity dia ny solontenan’ny kandida laharana faha 3, Andry Nirina Rajoelina, sy ny an’ny faha 11, Sedson Daniela Raderanirina. Liana amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny mpanara-baovao ny amin’ny antony tsy hiraisan’ity kandida faha 11 ity hina amin’ireo kandida miisa 11 hafa izay manamafy hatrany ny fanoheran’izy ireo ny karazana endrika fanitsakitsahana lalàmpanorenana ao anatin’izao fikarakarana fifidianana izao. Isan’ny voalaza ao anatin’izany moa ny tsy fanekena ny firotsahan-kofidian’ny kandida laharana faha 3, noho ity farany, izay nambara sy noporofoina hatrany fa efa lasa frantsay tanteraka fa tsy malagasy intsony, noho izy nangataka izany zom-pirenena izany ny taona 2014 nefa efa olon-dehibe ampy taona na “majeur” ka dia niharan’ny lalàna momba ny fiofoana na “naturalisation”. Toherin’ny firaisankinan’ireto kandida ireto ihany koa ny fomba nanomezana fahefana ny praiminisitra Ntsay sy ny governemantany ho filoham-panjakana vonjimaika hitantana mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Mitsipaka tanteraka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC, araka izany, hatreto ireto kandida ho filoham-pirenena miisa 11 ireto.
J. Mirija

 

 


 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Nanomboka ny desambra 2023 nialohan’ny nandraisany fahefana, am-polony ny fivoahan’ny filoha Rajoelina tany ivelany.

Card image cap
06-sept-2024

Mbola i Jimmy Randriantsoa no kandida Ben’ny tanana atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara

Card image cap
06-sept-2024

Omaly Alakamisy 05 Septambra vao niteny Atoa Avotraina Andriamosa voafidy ho solombavambahoaka

Card image cap
05-sept-2024

Efa nanomboka nafampana ny tontolo politika tamin’ny herintaona tahaka izao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ;

Card image cap
05-sept-2024

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio 05 septambra hatramin’ny 19 septambra ny fandraisana antontan-taratasy ho

Card image cap
05-sept-2024

Iray andro nialohan’ny fisokafan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly,

Card image cap