airtel

Politique

21-oct-2024

Mendrika, kandida ao Alakamisy-Vontovorona

Mbola tsy ben’ny tanàna dia efa mamaha ny olam-bahoaka

Sample post image

Mitohy ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ho an’ny Antoko TIM tarihin’ny kandida ben’ny tanàna Mendrika Rasolonirina N°3 ao Alakamisy-Vontovorona

21-oct-2024

eo anatrehan’ny olam-bahoaka ankehitriny, ka tanàna maro no nisitraka izany. Tao ny nahazo fatsakana toa an’Antsahavory, Ambodivona Ambohimasina,... Efa ela no nangatahanay mponina eto Antsahavory an'io fanamboarana io fa tsy nisy nihaino afatsy i Mendrika, ka mankasitraka tanteraka sy misaotra, ary manolo-tànana azy izahay, hoy ny vahoakan’Antsahavory. Tsy mijanona eo fa ezahana ny hametraka maotera mandeha amin’ny herin’ny masoandro hahafahana mampiakatra ny rano, hoy kosa ny kandida Mendrika Rasolonirina. Tahaka io ihany, dia natolotra ofisialy ihany koa ny fatsakana tao Ambodivona Ambohimasina. Fotoana izay notronin’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Tsy hoe propagandy fa fihainoana ny hetahetam-bahoaka, vonjy aina eo anatrehan'ny fahasahiranana mianjady amin'izao vanim-potoana olan'ny izao, hoy ny kandida Mendrika Rasolonirina. Tahaka ireo fokontany efa nahazo tany aloha, dia nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro ihany koa ny tanànan’i Taramanana, Faliarivo, Andohony izay nanehoan’ny mponina fa tena ilaina eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra ny asa sosialy, nisy ihany koa ny « porte à porte » nentin’ny TIM nitsidika ny mponina, nampahafantarana ny kandida N°3, nihainoana ny hetahetan’ny mponina ka an-kafaliana no nandraisan’ny maro azy ireo toy ny tao Ambany Avaratra, Andohamandry, Soalandy hatrany Vontovorona, Taramanana,… Naneho kosa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, fa ny fifidianana no lalan-tokana hahafahana manova mpitondra sy ny fitantanana satria tsy mandroso isika matoa miverina manao lavadrano satria tsy tonga any an-tokantranon’ny Malagasy ny rano. Misy mpitantana mahatonga ny Firenena tahaka izao ka mahaiza mampiasa tsara ny zo ananan'ny olom-pirenena hifidy satria isaky ny 5 taona ihany io. Rehefa tsy mandeha mifidy isika dia izay tian'ny jiolahim-boto eto amin'ny Firenena no ataony, hoy i Rina Randriamasinoro. Tany amin'ny fifidianana Depiote no seza 2 ny an’Atsimondrano mety tsy naninona hoe sao mba ny samy mpanohitra sao samy lany. Amin'ny ben'ny tanàna dia ben'ny tanàna iray no fidiana ka rehefa tsy TIM dia mpifaninana amintsika izay ka aza manaiky fitahina, hoy izy. Olona natokisana sy mendrika i Mendrika, ary azo antoka fa hitondra avo ny fanevan'ny Antoko amin'ny asa fampandrosoana an’Alakamisy Fenoarivo sy Vontovorona, hoy I Rina Randriamasinoro.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap