tamin’ny alalan’ireo Filoham-piangonana 4 mirahalahy. Ho tohin’ny fihaonana in-telo miatoana nataon'ny FFKM , nofaranana tao Mandrimena Antananarivo ny 31 aogositra 2023, dia efa mandroso ny FFKM amin'ny fampihaonana ireo ankolafin-kery ny amin ny itadiavana vahaolana malagasy, hamahana ny olana eo amin'ny samy malagasy, anatin'ny fifampiresahana, hoy ny tatitra nataon’izy ireo mitondra ny datin’ny 26 septambra 2023. Miantso ny vahoaka rehetra hitrotro am-bavaka izany asa sarotra sy makadiry izay tanterahin'ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy izany izay izy ireo. “Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ka maro no mitebiteby amin'ny ampitsony. Koa miantso ny rehetra hibebaka ka hiverina amin’Andriamanitra loharanon'ny Fiadanana”, hoy ny FFKM izay nampifandray izany amin’ny teny ao anatin’ny baiboly hoe: “…kanefa raha amin'izay no ho avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy, dia hihaino avy an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny”. Koa miantso ny rehetra hihavana amin'Andriamanitra; hifamela heloka ary «raha azo atao dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona. rehetra ( Romana 12 18), hoy hatrany ny FFKM. Niantso ny rehetra isan-tokantrano hitondra am-bavaka izany fampihaonana tarihiny izany noho izany ireo Raiamandrenim-piangoanana, amin’ny alalan’ny fiombom- bavaka isaky ny amin'ny 08 ora alina, hanao vavaka fifonana sy fangataham-pitahiana ho an'ny firenena. “Farany, atsaharo ny fifampiantsiana amin'ny endriny rehetra! Aoka hatao laharam-pahamehana ny tombotsoan'ny Firenena sy ireo mponina rehetra eto amin'ny Tanindrazantsika.”, hoy ny FFKM. Niantso ny rehetra hahery hivavaka, mitsangana, tsy ho kivy ary tsy hanahy na inona na inona, fa hivavaka sy hifona..
TSY MISY RESAKA FIFANARAHANA POLITIKA
Manamafy noho izany ny FFKM fa tena mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ary henjana ny iraka ho azy ireo ho fandaminana ny toe-draharaha eto Madagasikara, kanefa tsy kivy fa manamafy ny fahavononana sy mankahery ny olom-pirenena ny FFKM. Nitohy omaly ny dinika tarihin’izy ireo, ka nisy ny fihaonana teo amin’ireo Raiamandreny am-panahy sy ny iraky ny Firenena Mikambana ny tapany maraina, ary nihaona indray tamin’ireo kandida ny tapany hariva. Ny somary nahagaga hatrany am-piandohana dia ny fiampangan’ny avy amin’ny fitondrana ny FFKM ho mpanakorontana sy mampikorontana ny efa milamina na eo aza ny finiavana hasehony mba handravonana ny olana eto amin’ny firenena. “Tohizana ny fifampihainoana, tsy misy resaka fifanarahana politika. Mitazona ny foto-kevitra: fahamarinana sy fiadanana satria tsy hisy fiadanana raha tsy misy ny fiadanana, ary fahamarinana hiatrehana ny fifidianana”, hoy ny fanamarihan’ny Filohan’ny FFKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ami. Nohamafisiny ny fisian’ny fifampihantsiana izay tokony hatsahatra satria vazavaza atsy vazavaza aroa, any amin’ny haino aman-jery no mifanasa vangy, ka tokony havadika fifampidinihana ambony latabatra. Nanamafy moa ny FFKM, fa tsy momba ny mpanohitra na mpomba ny mpitondrana fa mpomba ny fahamarinana satria ny fahamarinana no manavotra ny Firenena. Niantso ny mpanao gazety hitandrina amin’ny resaka mety hampisavorovoro ihany koa moa ny FFKM, izay nampahatsiahy ny toe-draharaha tao Rwanda noho ny Radio des 1000Collines. Kapoaka iveloman’ny ankabezanareo, ka tsinjovy ihany ny firenena. Misy ny zavatra azo ambara, misy ny zavatra azo iainana, adidy lehibe ny fitaizana hampita izay foto-kevitra izay, hoy kosa ny Filohan’ny Fiangonana Anglikanina Mr Ranarivelo Samuel Jaona.
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…