airtel

Politique

20-sept-2023

Miary Rasolofoarijaona

“Miantso ny olona tsy hanaja lalàmpanorenana ny SGAP”

Sample post image

Nampita hafatra manokana ho an’ny sekretera jeneraly momba ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika na SGAP,

20-sept-2023

Dina Andriamaholy, ny mpanao gazety, mpamakafaka, Miary Rasolofoarijaona, manoloana ny fanakihanan’ity tomponandraikitra ity ireo firaisamonim-pirenena mitsekera ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay nandray ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenen’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina. Andriamatoa Dina Andriamaholy, hoy izy, sady tsy nampianatra olona ankahala aho na hanao zavatra hafa fa ianao miantso ny olona tsy hanaja ilay lalàmpanorenana. Ny mpanohana fitondrana miantso ny “disqualification” na fanesorana ny kandida lazaina fa tsy manaja rafitra dia mba atao mitovy koa ny antso hoe jereo akaiky koa ity olona ity fa tena ny lalam-panorenana no tadiaviny hitsahina. Fifampitaizana no atao, hoy hatrany i Miary Rasolofoarijaona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Ankoatra ilay fihaonana nikaton-trano tamin’ny Minisitry ny fitantanam-bola izay tsy nisy akony,

Card image cap
18-oct-2024

Tsy nisy nipika ny fihaonana mikaton-trano teo amin’ireo depiote sy ny Minisitry ny fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo omaly.

Card image cap
17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap