airtel

Politique

18-sept-2024

Midingin-drambo ny Fanjakana

Mitaky an-jatony miliara amin-dRavalo…

Sample post image

Niditra an-tsehatra mivantana nanamafy ny fandetehana an’i Marc Ravalomanana ny Fanjakana foibe tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison

18-sept-2024

omaly 17 septambra 2024 eo anatrehan’ny tsy fahazoan’ity Filoha teo aloha ity ny taratasy fanamarinana ny maha mpandoa hetra ara-dalàna na « Certificat de régularité fiscale » na « 211 Bis ». «Tsotra ny antony, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena izy dia nametraka taratasy « lettre d’engagement » izay nosoniaviny manao fanekena ny hetra tsy voaloany, ary nanome toky fa hanefa an’ireo. Koa satria izy olon-dehibe no nanasonia sy nanome toky dia nametraka fitokisana taminy ny sampan-draharahan’ny hetra ka nanome azy ny taratasy fanamarinana ny fandoavan-ketra ara-dalàna», hoy io Minisitra io. Nambara fa tamin’ny 8 aogositra no efa nandefa taratasy mampahatsiahy ny fisian’ny taratasy napetrany sy nosoniaviny ny Sampan-draharahan’ny hetra ary narahina «titre de perception » miisa 6 ary efa nahazo didy fampiharana mba hanatanterahana ny teny sy toky nomeny. Nohamafisina fa nanamafy ny fanekena ny fisian’io hetra tsy voaloa io i Marc Ravalomanana, ka nilazan’io Minisitra io, fa tsy miteny ny Sampan-draharahan’ny hetra hoe : afaka manome ilay 211 Bis na tsia afaka manome, fa miandry mbola miandry ny fanajan’Atoa Marc Ravalomanana ny taratasy napetrany sy ny teniny. « Raha tanterahany ny sonia izay notanterahany taty amin’ny sampan-draharahan’ny hetra, dia tsy manana olana velively ny sampan-draharahan’ny hetra ny hanome izay taratasy izay », hoy ny Minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.
AVOAHY RAHA MISY AN’IZANY, HOY NY ANDANINY
Tsy niandry ela, fa namaly bontana an’io avy hatrany ny avy amin’ny Antoko TIM sy ny Vovonana Firaisankina. «Tsy misy fifanarahana natao natao niaraka tamin’ny sampan-draharaha misahana ny hetra sy ny Kandida Marc Ravalomanana izany, ary izaho no « mandataire »-ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, fantatro tsara ny zava-nisy tamin’izany », hoy ny solombavambahoaka Rina Randriamasinoro sady Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM izay nanao fanambarana teny amin’ny Foiben’ny CENI omaly. Mitaky ny hamoahana ny taratasy mahakasika izany ny tenany raha misy an’izany tokoa, ary nilaza fa tokony hijanona amin’ny maha teknisianina azy ireo teknisianina, fa tsy tokony hanaiky hatao fitaovana politika. Rehefa zohiana amin’io, ataon’ny Fitondrana bala hamelezana an-dRavalomanana ny resaka fitakiana volabe an-jatony miliara Ariary. Manodidina ny 125 miliara Ar raha ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray, saingy tsiahivina fa mitaky ny fampiharana ny fampiharana ny « feuille de route » na ny tondrozotra izay mamaritra ny fanoneran’ny Fanjakana ny fananany nodorana ihany koa ny Vondron’orinasa Tiko, ka maherin’ny 1461 miliara Ar no voalaza fa tomban’izany. Ankoatra ny fifamelezana ara-politika, dia mihamafy ihany koa ny ady ara-tserasera na « guerre de communication » eo amin’ny andaniny sy ny ankilany eo anatrehan’ity raharaha ity ka asa izay hiafarany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-sept-2024

Nomelohin’ny fitsarana 5 taona an-tranomaizina, lamandy 2 000 000ar, izay sazy mihantona avokoa i Patrick Raharimanana,

Card image cap
18-sept-2024

24 ora sisa dia hifanarana ny fe-potoana napetraka hahafahana mandray ny antontan-taratasin’ireo

Card image cap
18-sept-2024

Nangataka hihaona tamin’ny CENI ny avy amin’ny fanoherana notarihin’ireo depiote avy amin’ny

Card image cap
18-sept-2024

Nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’Antehiroka

Card image cap
16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap