eny Imeritsiantosika, hoy ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana Gerard Andrimanohisoa. Ampahantany no anolon-tsoatra amin’ilay 980 Ha hanaaovana io tetikasam-panjakana io. Efa an-taonany maro no nanaovana ny fifampiresahana tamin’ny tompon’ny tany, hoy izy, ary efa hiditra amin’ny fanonerana ny vidin’ny tany izay nalain’ny fanjakana tamin’ireo olona ireo ary ho afindra amin’ny fanjakana ny tany izay mirefy 452 Ha eo ny totaliny. Raha ireo olona izay nanao hetsika tamin’ny faha 17 febroary indray, izay milaza fa tsy hanome ny taniny, dia nilaza ity tompon’andraikitra ity fa raha manana taratasy ara-dalana momba ny taniny izy ireo dia tsy adala ny Fanajakan ka hanala azy amboletra amin’ny taniny. Tsy maintsy manara-dalana, hoy izy, ny fanarahana ny dingana rehetra ahatongavana amin’izay. Nolazaina fa mby an-dakana ihany koa io tetikasa io ka tsy maintsy hirosoana. Tetsy an-daniny moa dia nilaza ireo vahaoaka ao Imerintsiatosika fa ny 640 Ha amin’io tany io dia manan-tompo avokoa. Ireo vahoaka izay marihina fa tsy manohitra ny tetikasam-panjakana fa tsy manaiky kosa ny hakana ny taniny, raha ny navoitran’izy ireo hatramin’izay. Tsy nisy fifampiresahana ny fakana azy ary efa niroso tamin’ny fametrahana « Piquet » ny Fanjakana ka izay no nampihetsika azy ireo. Nilaza ny ny hitondra fanazavana misimisy kokoa momba ity araharaha Imeritsiatosika ity moa ny fanjakana. Raha ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana teny Alasora ny faran’ny herinandro teo. Ny hany nohamaisiny dia ny hoe tsy hampihemotra ny tetikasa ireny fanakatsakananana ireny. Zon’ny Fanjakana ny maka ny tany ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro, saingy manana ny heveriny fa rariny ihany koa ny vahoaka. Mitohy izany ny amboletra, kanefa mety ho lasa « Ambohitrimanjaka bis » ihany koa ny fanoherana ny fakana tanim-bahoaka.
Solotiana
Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,
Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,