ary 2 andro toarian’iny no nambara fa dia ny Praiminisitra Ntsay Christian ihany no voasafidy ho Praiminisitra voalohany ato anatin’ny taom-piasan’i Andry Rajoelina fanindroany, natolotr’ireo depiote maro an’isa, araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Nolazaina fa tsy hirotorotoana anefa ny fanendrena ireo mpikamban’ny governemanta vaovao, fa mbola hisy ny tombana hataon’i Andry Rajoelina amin’ireo minisitra. Ny Praiminisitra ihany izany no ara-dalàna, kanefa mbola tsy nisy ihany koa aza ny didim-panjakana manendry azy nivoaka hatreto, fa fanambarana am-bava ihany. Efa nialohan’ny fifidianana depiote no nisy fahabangana ny toerana minisitra miisa 7 no banga, ka ireo minisitra mitazona departemanta hafa no manenjika bitro roa amin’ny kivonjivonjy tavan’andro eo. Teo aloha nolazaina fa hafainganina ny hafainganam-pandeha amin’ny fampandrosoana, ary tsy afaka hiandry izay tsy afaka. Izao indray lasa tsy azo hirotorotoana. Ampangain’ny karatra hatrany ny Fitondrana Rajoelina izay miharihary fa kofona sy vizana tanteraka ara-pitantanana na napetraka aza ny kajy samihafa hananana fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-tseza. Nihazakazahana ny famerenana ny Praiminisitra ka mo ave antony teknika saza politika ilay nitazonana azy. Raha teknika anefa ratsy ny vokatra ara-toekarena, ary tsy nitombo fa nihena aza ny famatsiam-bola azo. Ratsy ny vokatra sy fahaiza-manao ho an’i Madagasikara satria tsy dia azo atokisana.
TARATRA NY KRIZY ARA-BOLA GOAVANA…
Tsy arakaraka ireo fampanantenana ny vokatra, ary miharihary fa misy ny sakana samihafa, indrindra fa ny lafiny ny ara-bola. Vao lany, dia nilaza fa ankoatra ny Minisitera samihafa, dia hanangana sy hametraka sekretariam-panjakana miisa 11, kinanjo zara raha nahavaky atody hatramin’izao dia ny Sekretariam-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Nolazaina fa hisy olona 20 hatramin’ny 25 avy hanodina an’ireo. Ny zava-nitranga anefa, dia niroso tamin’ny fanakantsanana ny tetibola iasan’ireo Minisitera samihafa na «restriction budgétaire » manodidina ny 3400Ar aza ny Fanjakana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na LFR 2024. Midika fa manana olana ara-bola ka tsy maintsy mifehy tenda ny Fanjakana, hany ka any amin’ny vola hiasana no ahena, fa ny «werawera » sy ny fihetsiketsehana mandeha eny foana. Betsaka ireo olana maneho fa tratry ny krizy na tsy fahampiana ara-bola ny Fanjakana : tsy voaloa ny volan’ireo ankamaroan’ireo orinasa sy mpandraharaha sy orinasa nanao tsenambaro-panjakana sy namatsy ara-pitaovana ny Fanjakana ; niato ny fiantohana ireo mpiasam-panjakana misotro ronono eny amin’ny toeram-pitsaboana samihafa na ilay antsoina hoe : « prise en charge » ; naato ny fampidirana mpiasam-panjakana ankoatra ny ao amin’ny tafika ao anatin’ny 6 volana satria tsy ampy vola ka ny tafika sisa tsy naato sy karakaraina mafy; misavovona ny trosan’ny kaompanian-tsolika amin’ny Jirama izay efa mahatratra 1500 miliara Ar, ny fampiodinana ny teleferika mitady ho lasa vesatra ara-bola fa tsy vahaolana,… Ireo zava-misy ireo dia manamafy, fa tena anatin’ny olana ara-bola mivaivay ny Fanjakana Rajoelina, ary misy aza ny mpandinika ara-toekarena maneho, fa manakaiky ny banky ropitra sy tsy afaka mandoa ara-dalàna intsony ireo vesatra ara-bola tokony handeha ho azy na « en cessation de payement ». Noho izany, tsy voavaha ny olana ara-toekerana sy ara-tsosialy maro. Ny fampanantenana mitosoka fa ny vola hoenti-miasa miha manify ? Dia inona no vokatra antenaina eo ?
Toky R
Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy
Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,
Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa
Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»
Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…