airtel

Politique

12-juin-2024

Mihena ny tanjaky ny volomboasary

Taratry ny fiozongozonan’ny fitondrana…

Sample post image

Toerana 163 no hiadiana ao Tsimbazaza, ka 79 ho an’ny IRMAR manome ny salan’isa 48,47%,

12-juin-2024

58 tsy Miankina, 22 (13,50%) ny Firaisankina 4 FIVOI (2,45%), 1 Kolekitifa, 1 Antoko Maitso ka raha mitambatra ireo ivelan’ny IRMAR dia manome 51, 53, io raha tsinjaraina ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin’ny HCC. Vokatra vonjimaika ihany io, ka raha ny tatitry ny CENI 48,03% ny taham-pandraisana anjara, ka tany Ambovombe Androy no ambony indrindra nahatratra 89,05% raha tao ka tao Mahajanga I no ambany indrindra izay 24,92%. Distrika 53/120 ihany no nahitana taha nihoatra ny 50%. Distrika 3 no tsy nisy mpifaninana ny IRMAR dia ny tany Sambava toerana 2, Tsaratanana, ary Lalangina. Mahazo depiote 109 kosa vao mahazo ny "majorité absolue" na ny 2/3. Mahazo depiote 82 ny vovonana politika iray vao mahazo ny "majorité relative" na 1/2. 120 ny isan'ireo distrika manerana ny Nosy, ny 32 amin'reo no manana depiote 2. Hatreto, tsy manana an’ilay an’isa «majorité absolue » na « Majorité relative » izany ny IRMAR. Misy ireo kandida sasany izay voalaza fa miara-dia amin’ny IRMAR ihany, ka manodidina ny 25 ireo amin’izao fotoana izao, raha ny loharanom-baovao. Na izany aza, henjakenjana ny ho an’ny fitondrana ny zava-misy satria misy ireo fandaniana tsy maintsy mila 2/3 ao amin’ny Antenimiera. Any amin’ny tsy miankina izany ny baolina ao Tsimbazaza amin’ity indray mitoraka ity. Io no faraherin’ny IRMAR izay nanana 80 mahery tamin’ny 2019 tao anatin’ny isan’ny depiote 151 kanefa amin’ity efa nakarina 163. Midika io fa mihen-danja ny volomboasary, ary raha tsy nisy aza ny fampitomboana ho 2 ny isan’ny depiote tany amin’ny distrika sasany, toa an’i Mandritsara, Betioky Atsimo, Betafo Antalaha, Antsirabe I,… izay saika faharoa avokoa ny volomboasary. Anisan’ny mety tsy ho tazana ao Tsimbazaza intsony ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa izay toa efa natao izay fomba rehetra handrendrehana azy, ka raha ny vokatra vonjimaika, dia nahazo 55,96% ny kandidam-panjakana Richard Razafindrabary, raha 44,04%. Horaisin’ny HCC izay nanongana azy ve ny fitoriana nataony ? Tahaka izany ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena teo aloha avy amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa dia ny depioten’ Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa satria 78,96% ny IRMAR Ravoniarisoa Mariette raha 21,04% i Brunelle Razafitsiandraofa,... Mampiakatra ny lonilony politika io.

Na manana depiote betsaka aza, tsapa ho miharatsy toerana ny fitondrana, ary miozongozona. Raha mampahatsiahy ny tantara, Ny janoary 1972 nahazo vato 98,2% ny Filoha Tsiranana, PSD ny 95% ny depiote, voaongana ny mey 1972. Ny Filoha Ratsikara (jona 1975- 1992), niditra taom-piasana fahatelo ny 1989, nahazo 69% ; 90% ny depiote Arema, fa nisy ny hetsiky ny herivelona niafara tamin’ny fifanarahan’ny 31 oktobra 1991. Ny Filoha Zafy Albert (Septambra 1993-aogositra 1996) nahazo 62%, fa niongana tratry ny « empêchement»,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap