Roland Ratsiraka sy ny vahoakan’i Toamasina hanaovana diabe am-pilaminana hanehoana ny fiarovana ny safidim-bahoaka teo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa hosoka sy hala-bato samihafa nandritra ny fifidianana natao ny 11 desambra 2024 lasa teo. Naneho ny fahatahorany, ka nanao ny fomba rehetra mba tsy hampahomby izany ny Fitondrana. Vao maraina anefa dia notemerin’ny mpitandro ny filaminana ny manodidina ny tranon’ity olom-boafidy ity. Voalaza mihitsy aza fa nisy ireo nafarana manokana avy taty Antananarivo efa nivonona hisambotra an’i Roland Ratsiraka. Nanao andiany teny amin’ny Boulevard Ratsimilaho. Tamin’ny 11 ora atoandro, nivoaka nandeha irery niazo ny moron-dranomasina nanao « footing » na fanatanjahantena tsotsotra i Roland Ratsikaraka, saingy narahin’ny mpitandro ny filaminana hatrany. « Nanombola tamin’ny 9 ora maraina dia efa feno miaramila sy zandary nanodidina ny tranoko. Iny tsy olana, fa tsy navelan’ny olona akaiky ahy sy ny fianankaviana aho hivoaka, fa nivoaka ihany. Nivoaka nanaraka ahy avokoa ry zareo. Natahotra aho fa nanao saron-tava avokoa ny ankamaroan’ireo », hoy i Roland Ratsiraka. Nilaza hihazakazaka sy hamonjy ny fiara, ary hody ity farany avy eo. Hiaro ny zonay, hitaky ny fahamarinana izahay, leo « orange » izahay, hoy ireo olona. Ajao ny safidinay, fa tsy izay tianareo hapetraka, fa raha izany dia aza asiana fifidianana intsony fa apetrapetrao ohatran’ny nanaovanareo ny sefom-pokontany, hoy ireo olona mba niezaka namaly ny antso na teo aza ny sakantsakana. Nivoaka ny tranony i Roland Ratsiraka ny takarivan’io sabotsy io tokony ho tamin’ny 6 ora, saingy nantonin’ireo mpitandro filaminana nisaron-tava, ary nobahanana fiara ny vavahadin’i Roland Ratsikaraka ny takariva tokony ho tamin’ny 7 ora, raha ny tatitra. « Naheno aho fa nisy zandary avy aty Antananarivo nahazo baiko ». I Roland Ratsiraka izany no mpanao politika sy olom-boafidy voalohany teto, nambenana teo an-tranony, nivoaka dia narahana, avy eo nataon'ny mpitandro filaminana tsara ambina teny amin'ny "la plage". Lazaina fa mankahala « côtier » i Ravalomanana kanefa zava-doda noho ny nataony ny ataon’ingahy Rajoelina. Voatery misitrika ny ben’ny tanàna voafidy tao Diego satria matahotra hosamborin-dreo fa tsy lany ny kandidan-dreo satria tsy mety manao sonia ny ahazahoan-dreo bojo ny « patrimoine » ao Diego. Toy izany koa i Roland Ratsiraka, ampihorohoroana satria sao manelingelina ny fanaovana ampihimamba ao Toamasina. Ny tany Toliara dia nampihorohoroina izay olona niaraka tamin’i Siteny. Izany hoe izay olona mijoro miaro ny faritra misy azy dia ampihorohoroina sy gadraina… Ny « côtier » manao dia andefasana « avis de recherche » dia avy eo mandoa vola be vao avotsotra. Misy maromaro ny efa lasibatra, hoy I Anthelme Ramparany ny Minisitra teo aloha.
Toky R
Nisafidy foana isika eto Madagasikara hatramin’izay hoe ny fitondràm-panjakàna no manapaka
Anisan’ny toe-javatra niteraka resabe tato ho ato ny fomba firesaky ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard
Vaovao indray ity taona, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison.
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny alakamisy 16 janoary alina ny solombavambahoaka teo aloha,
Handray ny asany manomboka anio Alatsinainy 20 Janoary avokoa ireo Ben’ny tanana voafidy hitantana ny tanana
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy