airtel

Politique

25-sept-2024

Milaza miandry fampahafantaran’ny fitsarana ny TIM

Hiandry izay ho mpifaninana vao hamoaka ny solon-dRavalo ?

Sample post image

Raha samy niandry ny rehetra fa hivoaka omaly takariva ny kandida avy amin’ny Antoko TIM hisolo an’Atoa Marc Ravalomanana

25-sept-2024

taorian’ny fitsipahana ny firotsahany teny amin’ny CENI sy ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, dia tsy mbola izay no nitranga ho an’ny omaly. Raha izay no nivoaka tamin’ny seraseran’ny Firaisankina nialoha an’io, izay nilazan’ny depiote sady Filoha lefitra mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny alatsinainy teo, dia mbola tsy tonga tamin’io. Anarana maro anefa no efa niparitaka, eny fa na ny depiote Fidèle Razarapiera aza dia efa nanambara, fa eo am-pikarakarana dosie ny zanaky ny Filoha teo aloha dia i Tojo Ravalomanana, ka raha ny hevitr’io depiote io dia tsy misy adihevitra raha ho ity farany tokoa. Raha tsy tafavoaka io, dia ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, ary raha tsy ity farany dia ny depiote Todisoa Andriamampandry, raha ny hevitry ny depiote voafidy tany Ambatonandrazaka. Nolazainy fa tsy mety intsony ny handrotsahana an’i Rina Randriamasinoro satria efa tsy nahomby. Nilaza kosa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM dia ny depiote Rina Randriamasinoro omaly, fa mbola tsy tonga eny am-pelantanan’izy ireo ny fampahafantarana na « notification » mikasika ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. « Ny alahady teo dia nolavina ny fitoriana, tsy mbola anaty lisitry ny afaka mirotsaka, mbola tsy nahazo ny fanamarihana na « notification ». Raha ny lalàna 2014-020 dia 24 ora aorian’ny fahazoana an’io « notification » io ny « mandataire » dia manana 48 ora hahafahana manolo ny kandida. Aorian’io vao hivory ny birao politika miaraka amin’ny solombavambahoaka amin’izay hatao», hoy ny Sekeretera Jeneralin’ny TIM. Raha mbola tsy mahazo ny didy sy ny « notification » milaza fa tsy misy hevitra intsony ity izay ireo vao hieritreritra ny fanoloana kandida. Anjaran’ny CENI no mandray fepetra raha toa ka tara ny famoahana an’io, hoy hatrany i Rina Randriamasinoro. Ity farany izay nanitrikitrika hatrany fa ny fanapahan-kevitra tsy maha kandida ny Filoha Ravalomanana dia hamafisina fa fanapahan-kevitra politika, na ny noraisina teny amin’ny CENI na ny teny amin’ny Fitsarana. Hiandry ny kandidam-panjakana na kandida hafa ny TIM vao hamoaka ny azy ? Andrasana indray izany izay mety ho tsy hampoizina ato anatin’ny 24 ora farany na ho an’ny TIM izay ifantohan’ny resabe na ny ho fipoiran’ny kandida hafa mety ho tsy hampoizina saingy mety hanova ny sary rehetra !
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap