airtel

Politique

28-juin-2024

Mily depioten’i Faratsiho

« Tsy mpifahavalo izahay fa mpifaninana, ny fahantrana no fahavalo »

Sample post image

Omaly vao afaka nisioka ny kandida Ramilison Nomenjanahary izay naneho naneho fisaorana ny vahoakan’i Faratsiho na ny nifidy na ny tsy nifidy azy.

28-juin-2024

Teo anatrehan’ny fisiana fanafoanana ampaham-bato 142 tamin’ny 2351 dia nilaza ity kandida ity, fa lojika ireny satria nisy nitory ka mba mety ho fanomezana fahafaham-po azy amin’ny zavatra kely. Fifidianana no natao, ary napetraka tamin’ny fahendren’ny vahoakan’i Faratsiho, ary tena fandresen’ny vahoakan’i Faratsiho iny hoe : ny vokatry ny tany no miaka-dapa, ka lojika raha nametraka ny fahatokisana ny vahoaka. Nomarihin’ity kandida ity noho izany, fa tsy mpifahavalo ny tenany sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa mpifaninana, ary ny fahantrana no fahavalo. Manomboka eto dia hivadika any amin’ny asa hanavotra firenena satria izay izao no zava-dehibe amin’ny asa maha depiote. Andaniny, nilaza Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy tao amin’ny pejin-tseraserany, fa izay izany no voka-pifidianana navoakan’ny HCC, isaorana azy. « Miarahaba ny solombavambahoakan’i Faratsiho vaovao Ramilison Nomenjanahary. Mirary azy tena hiasa ho an’ny vahoaka. Mankasitraka foana ny vahoakan’i Faratsiho, ary mankahery an’ireo ekipa rehetra tsy ankanavaka. Aza manahy fa tsy hahasakana antsika tsy hanohy ny asa natomboka rehetra izany ary tsy mahasakana antsika tsy hanohy ny asa ho an’ny distrikan’i Faratsiho mamintsika loatra. », hoy ity kandida ity. Somary mbola narahana tsindro-paingotra sy endrika tsy fahafaham-po sy fanehoana fa manaiky tsy fidiny na izany aza hoe : « Niady ho an’ny marina isika, nijoro tamin’ny rariny hatramin’ny farany, ary matoa nisy birao fandatsaham-bato nofoanana ny vaton’ny mpifanandrina dia nisy tokoa tsy fanarahan-dalàna tao kanefa natao nandresy ihany moa izy ka dia izay izany no hitan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana fa mety. Dia manaiky isika. ». Nikatona aloha izany ny tantaran’ny fifanolanana ara-pifidianana tao Faratsiho.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap