airtel

Politique

31-mai-2024

Mirehareha fa mandresy ny IRMAR

Ho avy Antenimierampirenena saribakoly…

Sample post image

Novoizin’ireo mpomba ny fitondrana nanomboka ny alarobia alina lasa teo fa lasan’ny antokon’ny

31-mai-2024

fitondrana ny maro an’isa tsy azo hozongozonona eny amin’ny antenimierampirenena ; nisy efa namoaka tarehimarika mihitsy omaly fa hoe depiote 116 amin’ny 163 no azon’ny vovonana IRMAR na isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina.
FANASANA ATIDOHA
Azo antoka fa tsy tongatonga ho azy izany resaka sy feo iniana aely izany fa misy tanona mazava dia ny fandetehana sahady ao anatin’ny lohan’ny olom-pirenena fa hoe io ary fa mbola mamim-bahoaka ilay filoham-pirenena ka nofidian’ny vahoaka ny ankamaroan’ireo olona natolony. Efa etsy ankilan’izay dia toa efa tena ha,etraka sahady izy ireo fa na inona na inona resaka atao eny amin’ny antenimierampirenena dia ry zareo IRMAR no tompon’ny teny farany ; ary tena hitsoaka ny mafana sy ny mangatsiaka mihitsy. Ka na inona na inona tolo-dalana na volavolan-dalana avy amin-dry zareo tonga eny, atsangana fotsiny ny tanana dia efa milamina ny resaka.
FOTOAM-PIASAN’NY FILOHA
Izay eo ihany fa anisan’ny zavatra mety hitranga ary tena mampanahy ireo mpanaraka ny vaovao politika sy ny fomba fisainan’ny olon’ity fitondrana volomboasary ity dia sanatria ny fanovana tampoka ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny repoblika. Tapitra tanteraka amin’ny taona 2028 mantsy ny an’i Andry Rajoelina raha hoe resaka fitantanana firenena satria fotoam-piasana 5 taona azo havaozina indray mandeha ihany no voasoratra ao amin’ny lalampanorenana. Efa tranga fahita matetika aty Afrika io filoham-pirenena malai-misaraka amin’ny sezany io dia mahita irika foana hikitihina sy hanitsiana ny lalampanorenana ho amin’izay metimety aminy sy ireo mpanaradia azy. Hoy tokoa mantsy ny andininy faha 161 amin’ny lalampanorenana : « Tsy misy fanitsiana azo atao amin’ny lalampanorenanana dia iray aza raha tsy hita fa tena ilaina ». Milaza indray ny andiany faha 162 hoe fa raha toa ka hita fa tena ilaina ny fanitsiana dia anaran’ny filohan’ny repoblika izay manapaka eo anivon’ny filankevitry ny minisitra , na notapahin’ireo antenimiera amin’ny latsabato misaraka lanian’ny antsasamanilan’ny roa ampahatelon’ny mpikambana no manao izany. Manampy izay ny hoe : ny volavola na tolokevitrafanitsiana diia tsy maintsy ankatoavin’ny telo ampahefatry ny mpikambana ao amin’ny antenimierampirenena sy antenimierandoholona.
HANARA-DRENIRANO FOTSINY ?
Ny antenimierandoholona efa miloko politika volomboasary tanteraka, tao amin’ny antenimieramirenena no nisy fanandrakandramana nitsipaka ny governemanta ka avy eo niverin-dalana indray.Midika izany fa nisy tsy dia nilamina firy tao dia io natao io ny fifidianana ary mety efa vita mialoha ny kajy hoe izao sy izao. Tafapetraka daholo ry « eny tompoko » sy « merci prezda » dia hanara-drenirano fotsiny izay tian’ny fahefana mpanatanteraka atao ary hametraka ho mpanjaka ilay filoham-pirenena. Tsy dia fampandrosoana firenena loatra fa fitiavan-tseza sy voninahitra ary tsy firaharahiana tsotra izao ny hevitry ny hafa . Ekena fa ,ety tena hanezaka mafy ny mpanohitra saingy mbola olana iray misy amin’ny fanoavana politika eto Madagasikara ireo olomboafidy milaza azy fa hoe mahaleotena, avy eo anefa mivaro-tena ka miantsampy any amin’ilay vondrona parlemanteran’ny antoko eo amin’ny fitondrana ihany noho antony maro samihafa dia lasa saribakoly ilay andrim-panjakana mpanao lalàna.Fositry ny olana tsy mety mampiainga ny fampandrosoana ny firenena io, manao izaymaha diavolana ny sainyilay fahefana mpanatanteraka satria fantany fa tsy hisy hibedy izy na manao ny tsy mety aza.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap