airtel

Politique

07-sept-2023

Misora-tena ho efa mpandresy Rajoelina

Hangotraka ny politika manomboka eto!

Sample post image

Tafapetraka mangingina omaly 06 septambra 2023 tetsy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC

07-sept-2023

Ambohidahy ny firotsahan-kofidian’ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina ho kandida ho filoham-pirenena indray. Tsy delegasionina maro tamin’ny alalan’ny diabe voalaza fa saika hiainga tetsy Mahamasina, fa olon-tokana dia ny mpitondra tenin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Mickael Solofoniaina no tonga nanatitra izany tetsy amin’ny HCC tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro io omaly io, izay nifanandrify tamin’io ny famoriam-bahoaka nokarakarainy tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny fametrahana dosie nangingina, fa ny fijerin’ny mpanara-baovao toa nezahina natodika tetsy Mahamasina. Nanambara ny firotsahan-kofidiany I Andry Rajoelina, ka nilaza fa natao ny fomba rehetra hanakanana azy tsy hilatsaka hofidiana. “Ny lalàmpanorenana irery ihany anefa no mametra izany, ary manome alalana ahy hanao fe-potoam-piasana faharoa sady farany. Ny vahoaka Malagasy ihany no maso-mandidy hisafidy izay tiany hitondra ity firenena ity fa tsy andian’olona na antokon’olona na mpanao politika na mpanohitra. Maro ny fanaratsiana natao ahy, tsy voatanisa ny sopatra, faniratsirana, fanevatevana fa tsy nahasakana ahy tsy handroso,…”, hoy I Andry Rajoelina. Tena voahaja ve ny tany tan-dalàna sy soatoavina Repoblikanina eo anatrehan’ny zom-pirenena vahiny ananany ka mahavery ny maha Malagasy? Tena nahavita nitandro ny firaisam-pirenena ve I Andry Rajoelina sa izy no toa lasa olan’I Madagasikara noho ny amboletra politikany? Azo heverina fa hangotraka ny politika manomboka eto satria efa nisy ny fanambaran’ireo kandida miisa 8 nilaza fa tsy ara-dalàna ny ho firotsahany; misy ny mpanao politika nilaza fa hanao “requete en invalidation” mba hampiantonana ny firotsahan-dRajoelina. An-kilany ihany koa anefa, dia mandeha ny resaka fa miomana fatratra amin’ny mety ho fanoherana ny mpitondra, ary mety hiafara hatramin’ny fisamborana olon’ny mpanohitra. Isan’ny efa arahi-maso ohatra ny toeram-ponenan’ny Filoha iray teo aloha,…
MISORA-TENA HO MPANDRESY SAHADY
Toa noraisin-dRajoelina ho fandresena ho azy ny nahavita ny “record de medaille” tamin’ny lalaon’ny nosy satria nahazo medaly volamena 121, ka nilazany fa tsy misy kisendrasendra fa efa voasoritra sy voafaritra ny làlana hodiavina. Nolalaovina indray ny isa 13 tamin’ny fitanisana fa io no isan’ny medaly azon’ny taranja maromaro. Raha mampahatsiahy ny tantara momba ny lalaon’ny Nosy, dia fahombiazana tanteraka ihany koa ny tamin’ny 2007, matotra kokoa ny fikarakarana, voalohany I Madagasikara, tsy nisy fatiolona tahaka ny 2023, nalefa nijery lalao olaimpika ny atleta mendrika,… fa ny 2008-2009 dia tsy araka izay ny nahazo ny Fitondrana fa tratry ny fanonganam-panjakana I Marc Ravalomanana? Nandeha indray ny karazana fandemen-tsaina sy hafatra toa ezahina hafantoka any am-parahatoky ny olona fa tsy maintsy handresy I Andry Rajoelina, na efa izao aza no mahazo ny firenena vokatry ny fitantanany. “Vonona hihazakazaka, vonona hifaninana, tsy misy maharesy antsika. Mety misy mahavita ampahefatry ny “tour” dia sempotra fa ny Filohanareo na atao in-droa na in-telo tsy matahotra. Mampahatsiahy ahy sahady ny fandresena izay miandry antsika”, hoy izy. Niezaka nitanisa hatrany ireo ambara fa zava-bitany, ka nilaza fa ny fotoana hitokanana fotodrafitrasa indray no tsy ampy. Nirarakopana indray ny fampanantenana ka fiaingana vaovao hanatanterahana ny nofinofy indray hono! Nireharehany ihany koa ny hoe: 1300 ireo ben’ny tanàna tonga nanotrona azy, ka nanao pimaso fa tsy hisy kaominina hadino, miainga any ny tetibola, fanaovana fotodrafitrasa,... Ireo ben’ny tanàna mety voatambitamby na koa nisy ny tsindry raha ny loharanom-baovao, fa moa ny any amin’ny kaominina nahalany azy ireo na ireo depiote lazaina fa maro an’isa miaraka aminy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap