airtel

Politique

07-juin-2024

Mitsangana ny komity miaro ny safidim-bahoaka

Tsy hanaiky ny azo raisina fa tsy mitombina intsony!

Sample post image

Raikitra ny fananganana ny Komity Miaro ny Safidim-Bahoaka na ny KMSB

07-juin-2024

araka ny fivoriana sy fampahafantarana ofisialy notarihin’ny Vovonana Firaisankina teny amin’ny Hotely Le Hintsy Ambohimanambola omaly. Nitsangana io ho fanoherana ny endrika hosoka sy hala-bato ary ny tetika hanatsimbadihana safidim-bahoaka. Nambara fa hijoro hatramin’ny farany fa tsy hanaiky intsony ny azo raisina fa tsy mitombina, ka niantsoana ireo herivelona rehetra sy vondrona politika ary kandida hanambatra ny hery ao anatin’izany. Tsy hilamina ny fifidianana raha toa ka misy ny fanodinkodinana, hoy izy ireo. Takiana, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny famaizana ireo nandika lalàna sy tompon’andraikitra tamin’ny tsy fahalavorariana maro. Hanao fitoriana eny amin’ny CENI hampihatra ny andininy faha-46 amin’ny lalàna 2015-020 mikasika io rafitra io izy ireo, ka mangataka ny CENI hampiakatra eny amin’ny filankevi-pifehezana amin’ny asam-panjakana an’ireo mpiasam-panjakana nandika lalàna nandritra ny fifidianana. Hitory eny amin’ny HCC ho fanafoanana ny vaton’ny kandida nandika lalàna, na fanafoanana mihitsy ny fifidianana raha ilaina tany amin’ireo birao fandatsaham-bato nisy hosoka sy hala-bato. « Tsy mitongilangilana na mitolefika fa tena hijoro hiaro ny fahamarinana. Matoa izahay miantso dia manana porofo rehetra, fa efa tena tsy rariny intsony ny fanodinkodinana safidim-bahoaka. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena dia natao amboletra satria olona tsy manana zom-pirenena Malagasy manitsakitsakitsaka ny lalàmpanorenana, ka izay no tsy nanaovanay. Izay no porofo fa tsy seza na voninahitra na vola no tadiavinay. Ity kosa tena hafa satria ity manerana ny distrika no nanao ny safidy ny olona manodidina azy. », hoy i Marc Ravalomanana. Hitondra sy hampahafantarana ny zava-misy amin’ny rafitra iraisam-pirenena amin’ny maha mpikambana anatin’ny Firenena Mikambana an’i Madagasikara ihany koa. Samy nanatsikafona ireo ambarany fa kajikajy maloto moa ireo kandida toa an’i Mamihaja Charlot tao Mananjary, izay nilaza fa nahazo vato 35960, raha 22000 mahery kely ny kandidam-panjakana, izay governora, ka lazaina fa nangala-bato, ka mahatsiaro tena ho afa-baraka ny governora izay kandida dia manaonao foana, raha ny nambarany. Tany Betioky Atsimo, nambaran-dRabenirina Jean Jacques, fa nitontona tamin’ny angidim-by ny filoham-pirenena. Tonga nangataka « cadeau d’anniversaire ». Nolazaina fa mpanohitra ny depiote any ka tsy azo ampandrosoina raha mbola io, ka tsy maintsy laniana ny kandidam-panjakana ka ny ben’ny tanàna rahonana hosoloina PDS, ny sefom-pokontany norahonana hosoloina,… Tao amin’ny faritanin’i Toamasina no heverina fa tena niharan’ny hala-bato be indrindra, raha ny filazan’ny depiote Fidèle Razarapiera, ka na io fampiasana vatom-pifidianana efa voamarika mialoha, kara-pifidianana tsy mitondra karapanodro, fampiasana mpiasam-panjakana miainga amin’ny fokontany hatrany an-tampony,… Ahoana no ahafahan’ny antoko mpanohitra mangala-bato amin’izany, hoy izy ireo.
AZY NY AZY !
Eo anatrehan’ny filazana fa hanongam-panjakana, « Raha te hiongana izy dia aleo hiongana any fa tsy anjaranay izany, tsy mieritreritra an’izany izahay, fa hampihatra ny lalàna sy ny demokrasia. Fa ianareo raha mahita hoe : manongam-panjakana izany teninay izany dia anareo izany fa tsy anay », hoy i Marc Ravalomanana. Fomba ahoana no ahafahanay kandida ivelan’ny IRMAR hangala-bato. Iza no nampihatra an’ilay izy niainga tany amin’ny CENI, mpiasam-panjakana rehetra, fanomanana ny birao fandatsaham-bato,… Iza no mitantanana an’izany tsy ny fitondram-panjakana ka ahoana no ahafahanay mangala-bato, hoy ny kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana Jean Jacques Rabenirina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap