airtel

Politique

12-juin-2024

Mpanohana an’i Christine Razanamahasoa

«Tena propagandy no nataon’i Andry Rajoelina!»

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo solontenan’ny mpanohana ny kandida solombavambahoaka tao Ambatofinandrahana, Christine Razanamahasoa.

12-juin-2024

Niandry mihitsy izahay, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Ratolojanahary Maharavo, ny fivoahan’ity vokatra vonjimaikan’ny CENI ity vao maneho hevitra eto mba tsy hilazana hoe manakorontana saim-bahoaka. Tsy vao sambany nisy fifidianana, hoy izy, teto Madagasikara. Fomba miisa 2 no enti-manao fitoriana manoloana izany. Voalohany, manao fitoriana mikasika ny zotram-pifidianana iraimanontolo. Izany hoe mitaky ny fanafoanana ny vaton’ny kandida nahazo fiangarana tanatin’ilay fifidianana. Izahay izany izao mangataka ny fanafoanana ny vaton’ny kandida IRMAR tany Ambatofinandrahana noho ny fandikan-dalàna maromaro. Misy fomba fitoriana iray koa izay fandavana ny voka-pifidianana noho ny hosoka tamin’ny firaketana an-tsoratra na PV na koa ny resaka bileta tokana efa voamarika mialoha sy ny tariny. Ny ataontsika androany izany dia ilay fangatahana ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidan’ny IRMAR noho ny fandikan-dalàna maromaro nataony. Tsy misy resaka fanilihana na «disqualification» io. Maro ny fitarainana nataonay fa tamin’ny ankapobeny dia hita ho voahitsakitsaka ireo lalàna fehizoro na «loi organique» mikasika ireo zotram-pifidianana toy ny lalàna 2018-008 tamin’ny 3 may 2018. Isan’ny voadika tamin’izany ny andininy faha 55, 60, 61, 62, 63 ary ny andininy faha 202 amin’io lalàna io. Raiamandrenin’ny malagasy rehetra, raha ny tokony ho izy, izany filoham-pirenena izany. Manana andraikitra tsy hitanila izany. Voalaza ao amin’ny andininy faha 55 sy ireo andininy sasany ireo izay. Ny anaran’ny filoham-pirenena mihitsy anefa no entin’ny vondrona IRMAR hampandaniana ny kandidany. Hitantsika koa ireny ankanjo arahaba ririnina volomboasary ireny fa lasa arahaba ririnina daholo, T Shirt an’ny filoham-pirenena daholo no nentina nanao propagandy manerana an’i Madagasikara. Manaraka izay ny andininy faha 60, mandrara ireo mpiasam-panjakana ambony tsy hanao propagandy. Hita tany Ambatofinandrahana nefa ny governoran’Amoron’Imania. Nikabary niaraka tamin’ny filohan’ny repoblika teo. Teo koa ny lehiben’ny distrika sy mpikamban’ny governemanta marobe. Ny filohan’ny repoblika rahateo tonga tany nanao propagandy. Tena propagandy no nataon’i Andry Rajoelina izay filoham-pirenena fa tsy tafika masina na fitoriana filazantsara! Amin’ny endriny marobe izany ary an-tananay ny porofo. Ny andininy faha 61 ilay nolazaina hoe izahay tsy nitokana. Tsy hiteny intsony aho hoe nitokana sa tsia fa voalazan’ny andalana faharoa amin’io andininy io ny hoe «Aucune alliance majeur visant a crée une perception favorable envers un parti ou candidat ne doit être faite par l’administration de l’Etat ou des CTD ou Collectivité territoriale décentralisé durant la campagne.». Niteny nefa ny filoham-pirenena tany hoe raha vao ny kandidan’ny mpanohitra no fidianareo dia vita ny fisarahana na «divorce» miaraka amiko. 30 may hoy izy tany no «anniversaire-ko» ka ny tsingerintaona tsara indrindra dia fanomezana kandida IRMAR ny filoham-pirenena. Raha tianareo ho vita ny lalam-pirenena RN 35 dia IRMAR fidiana fa izaho tsy afaka hiara-hiasa amin’ny kandida mpanohitra. Izany no nataony tany fa tsy isika no namorona. Voalaza ao amin’ny andininy faha 62 fa tsy azo ataon’ny andrim-panjakana ny manao kabary politika miendrika propagandy mandritry ny fotoam-pifidianana. Henontsika nanao izany tao amin’ny RNM nefa ny filoham-pirenena. Nizara jiron’akoho, nizara kara-tany. Voararan’ny lalàna izany fa nataon’ny filoham-pirenena, hoy hatrany ireto mpanohana ny kandida Christine Razanamahasoa ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap