airtel

Politique

14-nov-2024

Mpanohitra manenjika mpanohitra

« Afaka mihaona sy mifampiresaka hoe : iza marina no iza ? »

Sample post image

Isaorako manokana ny raiamandreny jeneraly Ramakavelo Désiré tamin'ny fiantsoana fihavanana amin'ny samy

14-nov-2024

mpanohitra sy ireo kandidà. Eto aho dia manohana ny hevitra ary miantso ireo kandidà namana sy tompon’andraikitra eo anivon'ny antoko samy mpanohitra. Hihaona sy hifandinika ary tena hifampiresaka hoe iza marina no iza. Ary inona no efa nataontsika teo anivon'ny fanoherana ? Vonona tanteraka aho na ho asiantsika mpanao gazety sy mpanatrika ary. Mankasitraka Raiamandreny. », hoy ny kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Tahina Razafinjoelina omaly, teo anatrehan’ny antso nataon’ny Jeneraly Ramakavelo izay naneho, fa ny mpitondra sy ny mpanohitra aza efa tsy fidiny, ka tsy tokony hifanenjika sy hifanaratsy ny samy mpanohitra. Ity manamboninahitra misotro ronono ity izay efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny Firenena sy nanamarika ny tantaram-pirenena raha tsy hilaza afatsy ny vahaolan’ny Panorama tamin’ny 31 oktobra 1991. Naneho izy afk’omaly fa tena lasa diso ilay fomba fanaovana politika amin’izao ka mila fanovana. Raha hiverenana kely ny tranga tato ho ato, ary mitohy mandrak’ankehitriny dia misy ny endrika fanenjehana sy fanasoketana kandida, ary isan’ny ezahana potehina amin’io i Tahina Razafinjoelina.
POLITIKA MIABO
Tapa-bolana lasa izay, nisy olom-boafidy nilaza sy nanasoketa ampahibemaso fa tsy kandida mpanohitra ary namadika ny tolona, ka nitondrany setriny hoe : « Betsaka ny zavatra fantatro fa izaho manaja fa rehefa manaja aho aza kitikitihana sy haratsiratsiana fa raha ny zavatra fantatro no hoteneniko dia asa fa miandry aho ny fahendrena avy amin’ny rehetra satria ity zavatra ity tokony hataontsika amin’ny zavatra miabo fa tsy isika no handeha hifanaratsy fa mipetraka tsara», hoy i Tahina Razafinjoelina. Isan’ny fanontaniana napetrany ny hoe : Iza no namadika ny hetsika fotsy dia nanao propagandy ? Iza no lasa filoha lefitry ny antenimierampirenena ? Izaho no lazaina fa mody mpanohitra, kanefa ny olona naratra, nogadraina, hoy hatrany izy. «…Noho ny fanajako amin’ny maha Raiamandreny dia mipetraka aho, dia mangina aho, ny ataoko dia miasa am-pahamarinana, mizara fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy, manome asa ho an’ny tanora, fa raha isika isika no hifanaratsy, dia ny zavatra fantatro tsy fantatrareo », hoy izy. Hatrany am-boalohany no nanehoany, fa fanompoana ny fanaovana politika fa tsy fivelomana, ka nilazany hoe : manana ny asantsika ary tsy miambo fa mahavelona antsika, fa ny fanaovana politika dia fanompoana sy fandavan-tena na « sacrifice ».
SAO DIA MBA MIFAMADIKA ?
Ny marina dia ampy ahitana ny soa ! Ny tsy tiako dia aza tenenina mivadika aho, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina nampahatsiahy iray volana sy tapany izay, fa ny 2009 ohatra dia nisy may ny orinasa, tany aminy no nanonta ny gazety volana maromaro, tsy nitakiana na Ariary aza. Ny 2018 dia hoe : andao indray, andao hampiana sao izany no hahatafita ny firenena. Dia ireny teny amin’ny HCC ireny. Ny nahavoa antsika hatramin’izay dia hoe : misy olona mpitarika antsika noheveritsika hanohitra, fa avy eo ianareo miresaka ihany. Aza lazaina fa mivadika aho fa sao dia miverina any aminareo ilay izy, hoy ity farany ny 30 septambra teo. Notsipihiny kosa fa ny hiteny hoe misy nenina dia tsy fiteniny izay. Matoa tonga amin’ny toerana iray ny fifandraisana iray dia izay ny sitrany. Misy zavatra miseho eo, miezaka manao ny tsara aho, fa raha mihoatra amin’ireo nohasoaviko nanomboka ny 1999 dia sao dia mba mifamadika ilay izy fa mba nisy ve ny hoe : inona no azo hanampiana an’i Tahina ? hoy i Tahina Razafinjoelina nitondra fampisaintsainana. Ankehitriny dia io izy mbola maneho fa misokatra sy vonona amin’ny fifanantonan’ny samy mpanohitra, manamafy ilay fanaovana politika miabo.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap
20-nov-2024

Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka

Card image cap