airtel

Politique

04-juil-2024

MPIKAMBAN’NY GOVERNEMANTA VAOVAO

« Tokony olona matahotra an’Andriamanitra »

Sample post image

Tokony ho olona matahotra an’Andriamanitra ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta

04-juil-2024

vaovao hoy Pastera Heritiana Randriarimalala. Olona matahotra an’Andriamanitra sy mandeha amin’ny fahamarinana sy fahitsiana mantsy hoy izy no tena tsy ampy eto amin’ity Firenentsika ity. Hatramin’izay hoy izy dia saika olona tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany manokana, mampanjaka ny Fitiavan-tena, lalan-diso izay tena efa tokony hihoharana raha ho an’i Madagasikara manokana no teo ka tokony hovaina. Vavaka hataony sy hetahetam-pony araka izany ny mba hisian’ny olona tahaka izany hitondra sy hitantana ny Firenena manomboka any amin’ny Filoha ka hatrany amin’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta. Nomarihiny moa fa raha misy olona 1000 eto Madagasikara, tsy maintsy misy iray amin’ireo mba tena tia tanindrazana sy matahotra an’Andriamanitra tokony mba ho tafiditra ao anatin’ny governemanta vaovao hitsangana eo. Mikasika ny hamaroan’ireo tsy miankina voafidy ho solombavambahoaka dia notsindriany fa efa tena leo mpanao politika ny vahoaka Malagasy. Ny politikan’ny fahombiazana mantsy izao hoy izy no tena ilaina fa tsy politikan’antoko izay tsy hatokisan’ny vahoaka intsony.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap