airtel

Politique

19-août-2024

Mpitondra tsy azo antenaina

Fampandehanan-draharaha aza tsy vitany

Sample post image

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’izao fotoana momba ny fiainana andavanandro.

19-août-2024

Tsy ny ambara fa sahirana ara-pivelomana ihany fa na dia ireo heverina fa manan-katao toa ny mpandraharaha syy mpitantana orinasa aza dia mahatsapa fa mandalo fahasahiranana. Angamba tsy iadian-kevitra intsony fa tena mikiky ny Malagasy ny fahasahiranana. Ny fanontaniana mila valiteny mazava tsara izao dia ny hoe : ka inona ary no andeha atao ?
FITANTANANA TSY MAHOMBY
Efa tody hatrany amin’ny 5000 ariary ny euro 1 ny herinandro lasa teo, mety hoe tsy manaitra ny sarambabem-bahoaka io kanefa dia tsy maintsy hisy akony any amin’ny vidin’entana, atsy ho atsy. Firenena tena mbola manafatra entan amaro be avy any ivelany tsinona i Madagasikara, hatramin’ny vary foto-tsakafo aza moa dia mbola misy ampahany vidiana amin’ireo firenena aziatika. Rehefa anontaniana ireo manampahefana na olona manana andaikitra ambony dia izoa hoe efa miezaka sy mitady vahaolana izao fotoana no valiteny azon’ny mpanao gazety. Raisina ho fiaingana foana anefa ny vava be nataon’ny kandida Andry Rajoelina nandritra ny propagandy 2018 nanao hoe : efa nianatra aho, efa vonona ny zava-drehetra na ny famatsiam-bola na fandraharanasa na ireo mpiara miombon’antoka fa ny ahazoantsika ny fitondrana no ela dia efa miainga ary mandeha haingana be, vitesse TGV ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ataontsika ao anatin’ny 5 taona ny tsy vita tao anatin’ny 58 na 60 taona. NY tsapa anefa ankehitriny dia toa ny adalana sy ny tsy fahaiza-mitantana tsy nisy nanao tao anatin’ny 60 taona no hita ary , manarapenitra mihitsy ny fitomboan’ny Malagasy miha mahantra. Ilay herinaratra nambara fa ampiana 400 MW ka ho lasa 800 MW , nihena indray, tsy mahatratra 300 MW akory ny vokatra manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana.
TSY MISY MANDEHA E !
Raha ny tena marina, hita taratra amin’ny zava-misy iainana isan’andro dia na fampandehanan-draharaha tsotra aza dia efa sahirana ilay fitondram-panjakana, mainka moa fa hoe hangana fotodrafitrasa toa ny lalana sy toby famokarana herinaratra na hopitaly, sekoly, trano fonenana…Ireny anefa no nanjonoana ny olona teo aloha. Mbola misy 4 taona sy tapany ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena, asa aloha ny hoe fahagagana tampoka fa raha dinihina tsara ilay fomba fiasa tao anatin’ireo enin-taona voalohany , tena maha kely finoana ny hoe handresena ny fahantrana izany. Ny antsasaky ny Malagasy dia mbola tsy mahay mamaky teny sy manoratra amin’izao fotoana, maridrefy iray tena zava-doza izany ; inona no praogram-pampandrosoana ho resahana amina vahoaka bado ny antsasamanilany ? Raha vao miresaka fampandrosoana dia ny tareimarika ihany no fototra iaingana : anisan’ireo firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara. Mazava angamba izany.
RTT
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,

Card image cap
20-nov-2024

Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,

Card image cap
20-nov-2024

tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina

Card image cap
20-nov-2024

Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.

Card image cap
20-nov-2024

Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !

Card image cap
20-nov-2024

Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka

Card image cap