airtel

Politique

19-juin-2024

Na nisy mpitory na tsy nisy

«Tokony hofoanana tsy ho kandida avokoa ny tao anaty IRMAR!»

Sample post image

Efa betsaka ireo voalazan’ny namana rehetra niatrika ny fifidianana,

19-juin-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo sady kandida solombavambahoaka tao Toliara II tamin’ny anaran’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, mikasika ny zotram-pifidianana. Isany, hoy izy, ny manodidina ny falotoan’ilay fifidianana, ny hala-bato, fanaovana tsindry, ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny karazany. Ny adihevitra izany izao dia ny hoe inona no ho vokatra avoakan’ny HCC taorian’ireny famoahan’ny CENI vokatra vonjimaika ireny. Mipetraka avy hatrany koa ny adihevitra manoloana ny lalàna hoe raha ny lalàna no jerena, manao ahoana ny zava-nitranga nanodidina ny fifidianana teo? Mazava tsara ny voalazan’ny andininy faha 49 ao anaty lalàmpanorenana. Izany filohan’ny repoblika izany na tiana na tsy tiana, na manohitra azy ianao na momba azy, dia tandindon’ny fanjakana iny, izany hoe iraisan’ny malagasy rehetra. Tsy azo heverina akory, noho izany, na dia iray segaondra aza hoe hisy izany IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina izany afaka handatsaka kandida solombavambahoaka. Raha ny lalàna izany no jerena, na nisy mpitory na tsy nisy, dia tokony afaka handray avy hatrany ny HCC hoe «disqualifié» na tokony nofoanana tsy ho kandida avokoa ny tao anaty IRMAR, izay nolazaina fa kandidam-panjakana! Izany aza mitarika amin’ny tokony hametrahan’ny filoham-pirenena fialana ihany koa satria nandika lalàna goavana izy. Fandikàn-dalàna tafahoatra izany ary azo lazaina ho famadihana mihitsy satria hitanao hoe andriamatoa Andry Rajoelina izany dia tsy filohan’ny malagasy rehetra fa filohan’ireo mpomba azy sy ireo kandida narotsany. Izay no hiresahako hoe tsy tokony hiandrasana mpitory akory dia efa tokony hampiharina avy hatrany ny lalàna tao anatin’izany tranga izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap