airtel

Politique

29-juil-2024

Nahitsy i Vaovao Benjamin

"Voafatotry ny mpanambola mpamatsy fifidianana ny Filoha Rajoelina"

Sample post image

Anisan'ireo olona nantsoina hanohana ny kandida ben'ny tanàna hanohana Andry Rajoelina

29-juil-2024

aho ny taona 2007, hoy i Vaovao Benjamin raha nivahiny tao amin'ny Top Radio izy omaly atoandro.
ADILAHY POLITIKA
Vao avy nanao adilahy politika tamin'ny TIM moa izahay AREMA tamin'izany fotoana, hoy izy, naongana teo amin'ny fitondrana dia nahita hoe io fa misy olom-baovao mety ahavita zavatra mety kokoa. Tsy dia arak'izay anefa no nitranga ary izao iarahantsika mahita izao hoe hatraiza ny fahasahiranan'ny vahoaka Malagasy sy ny firenena.Taoriana kelin'io dia nanamafy hatrany ny fanoherana ny fitondrana Ravalomanana izahay, hoy i Vaovao Benjamin. Nitaky ny hanokafana ny kianjan'ny demokrasia, nitaky ny fanesorana ny minisitry vola.Mbola nentin'ilay fahasosorana vokatry ny adilahy politika nifanaovana tamin'ny TIM angamba tamin'izany, hoy izy.
KRIZY TSY NETY VOAVAHA
Tonga moa avy eo ny taona 2010-2011 fandaminana ny krizy teto Madagasikara, anisan'ny nandray anjara mivantana tamin'izany ny tenako, nanentana ny nitarika ireo kamarady AREMA. Nanasonia ny tondrozotra teny amin'ny CCI Ivato. Maro anefa ny zavatra notakiana tao amin'ny "feuille de toute" no tsy tanterakay sy tsy tontosa toa an'ilay andininy faha 20 mikasika ny famerenana an-tanindrazana ireo sesitany rehetra sy ny andininy faha 27 ho amin'ny fanonerana ireo lasibatry ny krizy nifandimby teto.Tsy nety tafatsangana hatramin'izao ilay : " fonds national de solidarité".
VOAFATOTR'IREO MPANAMBOLA
Ireo zavatra ireo tsy tanteraka tanteraka no nahatonga ilay "ni..ni." ka samy tsy afaka ho kandida Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina.Fa mbola tsy tonga saina ihany anefa izahay, hoy i Vaovao Benjamin. Dia teny ihany moa, tonga ny taona 2018 , tsy nety vita ny fampihavanam-pirenena ary teo no hita hoe nirohotra nanohana an'i Andry Rajoelina ny mpanambola, mpamatsy fifidianana ka teo no nanomboka voafatotra i zandry lahy Rajoelina, hoy i Vaovao Benjamin. Betsaka ny resaka sy fampanantenana nataony, napetraka ny velirano 13 kanefa ny velirano voalohany momba ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana, fotsiny aza dia efa tsy tafavoaka, hoy i Vaovao . Ny resaka ady amin'ny kolikoly nametrahana ilay hoe "zero tolerance" na tsy hananan-kavana mba aiza ho aiza moa amin'izao ?
NY OLONY IHANY NO MANAKORONTANA AZY
Ankoatr'izay , mba mahavariana ahy ihany hoy i Vaovao Benjamin ny fomba fitenenana amin'izao hoe tsy tokony hiteny, hitsikera intsony ny mpanohitra .Efa hita anefa fa tsy mandeha ilay asa, ary ny manodidina ny prezda Rajoelina ihany no hitako fa tena manakorontana amin'izao hoy izy.
NANDISO FANANTENANA Na izany aza anefa dia Mahatsiaro tena manana andraikitra ny amin'ny zavamisy satria aho, hoy i Vaovao Benjamin satria nitarika ny Arema sy ny zanaky ny faritra mba hanohana an-dRajoelina tamin'izany fotoana. Tsy nampoiziko hoe hanome lamosina ireo niara-dia taminy ilay zandry lahy noheverina fa hanao revolisiona, hoy ny fanazavany.Diso fanantenana aho satria noheveriko hoe tsy hanaiky ho fatoran'ireo mpanambola izy kanefa dia io tsy afa-bela io.Farany, dia tsy mbola nahita aho aloha hoe firenena be kolikoly ohatra an'i Madagasikara ka nandroso e, hoy i Vaovao Benjamin izay nametra-panontaniana hoe fa aiza ireo mpanangom-baovao sy mpitsikilo eo anivon'ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena no tsy mahazo vaovao ara-potoana momba ireny trafikana harem-pirenena ireny ?
Nangonin'i RTT

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap