laharana faha 2 na «numéro 2» anaty biletà tokana, Tahina Razafinjoelina, ny mikasika ny olombelona, hoy ny nisantarany ny fandraisam-pitenenany nandritry ny adihevitr’ireo kandida notontosaina tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny sabotsy teo. Matoa, hoy izy, mandroso ny tanàna dia misy olombelona miaina tsara ao aminy. Raha hiresaka olombelona isika dia tafiditra ao ny resaka fahadiovana, fahasalamana. Tena marary ny olona tratran’ny rano maloto, tratran’ny loto ao an-tranony. Marary hoditra ny olona. Marary kibo ny ankizy. Tena mijaly anaty fahoriana ny malagasy. Mila jerena ny fahadiovana sy fahasalaman’ny olombelona. Ny fanabeazana no resaka faharoa. Na inona resahina amin’ny resaka lalàna, tsy maintsy miresaka fanabeazana isika. Raha ho atao lalàna fotsiny io dia satry ny olona hanara-dalàna saingy tsy fantany ny antony hanarahany ilay lalàna dia very isika. Izay no mahatonga anay miteny hoe ny vina apetrakay dia vina sady voafariparitra mba tsy hisian’ny nofinofy sy fampanantenàna no vina fototra. Izay no mahatonga anay hoe andao aloha ho foanana ny fandoavam-bola eny amin’ireny toeram-pivoahana iombonana na «WC public» ireny! 200 Ariary izy amintsika fa raha in-5 mivoaka izy izany dia efa 1000 Ariary anatin’ny 1 andro. Ny tsy fananany an’izay nefa no mahatonga azy manao maloto eran’ny tanàna. Manentsina ny lalan-drano na «canal» eto Antananarivo izany. Ireo fikambanana sy olona mitantana fivoahana ireo mila kajiana. Efa vitanay ny kajikajy dia 850.000.000 Ariary isan-taona no laniana amin’izany. Azo atao ho an’ny kaominina izany ary tsy maintsy mila mahafehy tsara ny volan’ny kaominina ao anatin’izany. Ny farany amin’ilay lafiny maha olombelona dia ny lafiny asa. Tsy misy asa ireo olona ireo. Miteny isika hoe hanafoana ny mpivarotra amoron-dalana. Andao aloha hijerena asa izy dia mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna! Andao aloha hijerena fanabeazana dia mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna! Sao avy eo isika hifanenjika fotsiny ho toy ny sanatriavin’ny vava mpangalatra sy polisy eto dia hirongatra foana ny tsy fanarahan-dalàna rehefa tsy misy ny asa! Misy ireo vina marobe tsy maintsy laniana eo anivon’ny kaominina iarahana amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena. Ao ny japoney, ny AFD, ny vondrona eoropeanina, ny banky iraisampirenena. Mitentina 200 tapitrisa Euro io amin’izao. Efa niresaka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tekinika ireo izahay hoe raha omena fiofanana mikasika ny hoe Antananarivo nomerika ianareo dia vonona ny hanatontosa izany tahaka ny tetikasa «Secaline» izay efa nisy ve ianareo? Efa nisy izany «Secaline» izany teto fa eto izany izy dia ho dinan’ny kaominina mihitsy hoe izay orinasa miasa sy mampiasa olona ho an’ny tanànan’Antananarivo dia tokony ho olombelon’Antananarivo no manao azy. Manaraka izay ilay hoe Antananarivo nomerika izay hisy amin’ny tanàn-dehibe rehetra. Tsy maintsy raisina ny fanamorana ny hananan’ny olona ny vaovao rehetra momba an’Antananarivo. Vaovao voalohany ilain’ny olona dia ny volany. Tsy handoa adidy aminao ny olona rehefa miheritreritra hoe iry tranobe iry tsy mandoa hetra ka maninona izahay no handoa hetra?
ZAVA-DEHIBE NY ANTANANARIVO NOMERIKA
Ohatrinona no an’iry tranobe iry fa ahoana ny anay no ohatran’io? Zava-dehibe ny Antananarivo nomerika. Tsy nofinofy io fa efa tonga ny «Panneaux solaires» na angovo avy amin’ny masoandro ho an’ireo biraon’ny boriboritany miisa 6 izay ho avoakanay amin’ny herinandro (TTF: amin’ity herinandro ity). Ho atolotray manontolo ho an’izay sitrapon’Andriamanitra ho lany eo izany. Izany no antsoina hoe fanasoavana an’Antananarivo. Ao anatin’ny fanatsaràna izany rehetra izany satria tsy afaka hifehy fanatsaràna isika raha tsy mahafehy ny ara-bola. Tsy afaka miresaka ny ara-bola isika raha tsy mahafehy ny mangaraharan’ny ara-bola. Raha voafehintsika amin’ny nomerika ny lafiny tsena dia sady hilamina io tsena io no hahazoantsika volabe, hoy hatrany ny kandida mitondra ny laharana faha 2 eto Antananarivo renivohitra.
J. Mirija
Nitohy ny 24 desambra iray andro nialohan’ny krismasy ny hetsiky ny vahoaka manohitra ny fitsimbadihan’ny
Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».
Tsy ny mpisehatra politika ihany no manao fanambaràna izao, hoy ny Randrana sendikaly,
Fomba fiady politika nampiasaina tato ho ato indray ny fampiasana horonam-peo sy horonan-tsary atambatambatra
Tsy mankato sy tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny halatra sy hosoka izahay ary tsy maintsy hijoro",